Mpivahiny ihany
isika eto an-tany
f’aza mieritreritra hijanona ela izany
Angamba fitopolo,
na koa valopolo,
na mety latsaka aza
Na olon-tsotra ianao na olona malaza
Na olona mahantra na manan-karena
Na vahoaka izany na mpitondra firenena
Tsy maintsy lasa foana
fa saingy ny fotoana
no tsy mbola hay
Rehefa tonga izay
dia tsisy azonao atao,
fa lasa tsotra izao
Kanefa na izany dia tsarovy hatrany
f’ianao no lasa mody any ampasana any
Ny fiainana mitohy fa tsy tapitra eo akory
Ianao no tsisy intsony fa maty sy matory
Mbola hihodikodina ilay tany boribory
Hipoaka ny masoandro
Misy foana hariva, maraina sy atoandro
Ianao no mivadika ho vovoka eny sisa
Mbola baraingo koa ilay hoe hahazo paradisa
Mety misy ihany ny olona hitomany
Halahelohelo, fa vetivety ihany
Angamba taona vitsy raha toa maharitra ela
Fa any aoriana any dia tsy hisy koa tavela
ny momba anao rehetra
Tapitra eo ny fetra
Koa aza dia variana misento sesilany
fa mahaiza mankamamy
ny fiainana androany
Rasamy