Zanahary ô,
Dimy izao zahay fa tsy efatra intsony
Misaotra Anao indrindra Ray ao ambony,
fa noho ny fitiavana sy fitahianao
no mahatonga anay mijoro toy izao
Andriamanitra ô,
Izao no faniriako
Hifankatia hatrany anie ny fianakaviako
Hahita fahasambarana ireo zanako izay tiako
Raha toa moa sanatria ,
ka misy ny mpialona, na olona tsy tia
Ianao no angatahiko hiaro izany dia
Tsy ho azon-tsampona amin’izay aleha rehetra
Dia mba ho tanteraka avokoa ny tarigetra
tiany hotratrarina,
sady ho olo-marina,
no ho lasa lavitra hihoatra izato rainy
Ho avo sady mendrika koa ny toe-tsainy
Izany re no vavaka ao ampoko sy ao antsaiko
Tahio ny vinantoko sy ireto sombinaiko
Amen
Rasamy