Fitafy gasigasy

Fitafy gasigasy

Maro no mahay ireo mpanjaitra malagasy

saingy dia betsaka no mangasihasy.

Satria ankehitriny,

mitobaka eny antsena ny fitafiam- bahiny.

Moramora vidy sady koa be mpakafy

Indrindra fa irony antsoina hoe fripery.

Sahirana arak’izany

fa vitsy mpakamamy,

ireo mpanjaitra, malagasy ranoiray,

satria ny fitafy avy any dilambato indray

no ifanotofana henjehina jifaina,

na olona tsy nianatra io na ny manan-tsaina

Manko ireny no lazaina

ho fitafian-damaody eran’izao tontolo izao

dia hodiana tsy vidiana ilay akanjo gasy vao

Farafaharatsiny mba omena lanja

Aseho mihitsy fa mahamanjamanja

Kanto tena tsara

ny fitafy vita eto Madagasikara

Rehefa vodiondry, na mariazy ampiangonana,

na rehefa mety karazana lanonana.

Sady mitondra asa ho an’ny gasy toa ny tena,

no manome hasina fiandrianam-pirenena

Manampy tosika ihany koa ny toekarena

Rasamy

Laisser un commentaire