Mpamosavy

Mpamosavy

Misy tena misy ny gasy mpamosavy 
Indraindray aza misy mpianakavy
mifamorimorika mifamonomono
noho ny disadisa sy ny romoromo
Na amin’ny mpiara-monina sy mpiray tanàna 
Misy koa mazàna 
ireo miboridana sy mivoaka alina 
fa latsa-paka lalina
amin’ny filalaovam-panafody
Dia indreny azon’ody
toy ny hoe tsy tompon’ny tenany intsony 
Manaraka ny didin’ny ody izay tompoiny

Maro karazana ny famosaviana
Ao ny hasomparana amin’ny olona tsy tiana, 
na noho ny fialonana
Misy mpamosavy koa mamonjy fiangonana
Ny poizina an-tsakafo be ny honohono re
Nahazo ny mpitondra sy ny depiote
Angamba misy mamosavy mba hahazoana fahefana
Izany rehetra izany taratry ny fahantrana 
Koa mitendrema f’efa mihagravy
Misy mody namana nefa mpamosavy 

Rasamy

Laisser un commentaire