Aza mifanambany

Aza mifanambany


Misy amin’ireo mipetraka any andafy
no mihevitra ny tenany ho henjana sy mafy 
Milaza ho manan-tsaina tsisy toa azy
dia manao ny gasy ho toy ny sôvazy
Ny malagasy rehetra ambaniany avokoa
Lazainy ho tsisy nihoatra ny kilasy faharoa
Aoka re leiroa a!
Aza dia miseho ho tsy manampaharoa
Ekena fa mahantra izato firenena
Kanefa dia tsarovy fa ny fitiavan-tenan’
ireo mpitondra teto no nahatonga izany
f’aza ny gasy rehetra no lazaina fa ambany
Esoina sy latsaina daholo ny vahoaka 
Nefa  raha ny marina aza ianareo nitsoaka,
nandositra any ampita,
no tena kely aina, satria tsy nahavita
nihary teto akory
Any an-tanin’olona no manala sorisory
Maivava be tsy misy toy izany
Raha tena mafy ianao tafita teto ihany 
Nanangana orinasa
Nanankarama mpiasa
Nampihatra ny fahaizana sy ny fahalalàna
Manampy amin’ny ady amin’ny fahantrana 
Matoa ianao nandeha
dia saino ihany anie, aza mirehareha
fa  toy ny resy an’ady
Nitady ny malemy hanorenam-pangady
Koa mahaiza mba mangina e
Ampy re izay ny fanambaniana e
Zavatra hafa mety mahasoa kokoa
no aoka mba zaraina etsy sy eroa
Anaty fesiboky sy fitaovan-tserasera
Tsy adiady lava no handaniana lera
Ny fanehoan-kevitra mba asiana fetra
fa tsy iadivana daholo ny olona rehetra 

Rasamy

Laisser un commentaire