Mpandainga

Mpandainga

Misy karazan’olona tena tia mandainga 
Isan’andro izao dia tsisy afa-tsy lainga 
ny zavatra ambarany.
Lainga tsisy farany
Toy ny hoe mpandainga hatrany ankibon-dreniny
f’izay zavatra teneniny
dia fitaka bevava.
Lainga lalandava
Fa ny mahagaga sady mahavariana
Mbola misy ihany mahita fifaliana 
miaraka amin’izy ireny.
Manaiky izay lazainy matoa tsy miteny
Angamba ilay mpandainga no hahazoany tombontsoa
dia tsy hivakiany loha
izay loza mety hanjo
ny olon-kafa koa
Mba aoka kosa moa e
Aok’izay ny lainga fa mahasoso-po

Rasamy

Laisser un commentaire