Voalohany

Voalohany

Voalohany isika
Manakoako hatrany ampita,
voarakitra ho tantara,
fa voalohany i Madagasikara 
Saingy tsy voalohany amy zavatra mba tsara,
fa izy no mahantra indrindra eran-tany
Tsy honohono akory no tsy hanihany
Fahafahambaraka tsy misy toy izany
Mihemotra hatrany ilay firenena
Na izaho tsy mpitondra aza dia manongo tena
Mahatsiaro menatra sy marary fo
Lasalasa saina hoe nahoana mihitsy moa?
Asa ry zareo raha mba toy izany koa
Izao mihitsy ve no lahatra sy anjara?
Voaozona ary ve ity Madagasikara e?

Rasamy

Laisser un commentaire