Tiako ny tenako
Na mety misy nanenenako
aza izay mety ditrako,
dia faly aho amin’ireo tsara efa vitako
Tiako ny fiainako
Amboariko tsara koa ny fisainako
Hahay hankasitraka izay ampelatanako,
sy hahay hifaly amin’ireo fananako
Indrindra aho sambatra noho ireto zanako
Tsy maintsy misy foana ny zava-mampanahy
Fa tiako koa ireny fa mampijoro ahy
Ianao koa, manaova toy izany
Raha mbola nomeny tombon’andro eto an-tany
dia mahaiza mifaly, mifalia hatrany
Aza mivarilavo
Ny tenanao tiavo
Rasamy