Tranoko

Tranoko

Jereo ireto tranoko
Tsy zavatra nindramiko,
na koa hoe nangalariko,
fa vokatry ny herimpo,
sy fampiasana ati-doha
Tsy sanatria fireharehana
ny fakana sary ireo tanàna, 
aseho anaty tononkalo
Tsy itadiavam-pahavalo
fa ho fanehoana fotsiny ihany 
hoe tsy nofinofy akory izany
manana trano anankiroa 
Fa rehefa miasa am-pinoana koa
dia mahazo vokatsoa
Indrindra ho anao tanora
Ekeko fa tsy moramora
ny miasa sy mitady
fa mivonòna hatrany hiady
Aza mety ho kivikivy 
fa na misy aza ny mangidy
dia mbola hoavy ny andro iray
mba anjaranao indray
no hiteny sy hizara
Haneho ireo tranonao izay tsara
Vita eto Madagasikara 

Rasamy

Laisser un commentaire