Isika malagasy rehefa handray vahiny
dia iny fa sarotiny tsy te hahazo tsiny
Manala ireo maloto fahita hatram’izay
Tena miolomay
Lasa mandray kifafa
Tsy misy mihafahafa
fa hatramin’ny olobe
mazoto mamafa tokotany sy arabe
Tsy hanihany izany fa hiaraha-mahita
Vahiny manankaja no ho tonga avy any ampita
dia madio tsisy pentina izay jeren’ny maso
Nefa isan’andro manao andraso andraso
Tsy vaindohan-draharaha ny asa fanadiovana
f’izay toerana lalovana
dia fako misavovona sy loto miparitaka
Ny fiara sy mpivarotra koa misavoritaka
Raha tsisy vahiny toa tsy mahatsapa tena
Esorina hatramin’ireo mpivarotena
Eny e, tsy maninona
fomban’ny mpitondra nifandimby teto io tsinona
Tsaroana etoana koa
ireo mpitondra teo aloha
Nanafina tsy ho hitan’ny vahinim-panjakana
ireo 4mis izay nameno ny tanàna
Koa inona intsony ary moa no azo ambara
Fa handray vahiny foana anie i Madagasikara
Rasamy