Gasin’andafy

Gasin’andafy

Ireo gasin’andafy
dia lazaiko anao, fa tena miasa mafy
Azo lazaina ho mahay mihafy
Tsy mifidy asa mba hahazoana drala
Na andro koa mafana, na hatsiaka mamanala
dia iny ry zareo fa mifoha maraina 
Tsy misy hoe hijanona hatory fa malaina
Mandeha « métro »
Hamonjy ny « boulot »  
Hariva indray ny andro mihazakazaka « hidôdô »
Mifoha maraina indray, dia toy izany hatrany 
Misy koa fotoana mila hitomany
Mahatsiarotsiaro ny any an-tanàna
Tsy afaka manoatra fa tsy maintsy mikarama

Betsaka izy ireo no manao sofera 
Na manao livrera
Nefa ny sasany nivoaka ho injeniera
Na izany na tsy izany vitsy ny somera
Misy ny mitaiza olon-dehibe
Na miandry zaza, sady manabe
Tsy vitsy ihany koa ireo mpiasa birao  
Misy ireo tafita sy manan-katao
Mifangaroharo ao daholo, dia mamonjy fiangonana
Misy gasy koa aty mbola be fialonanana
Ny ankamaroany tia mihaona anatin’ny lanonana

Ny gasin’andafy dia miasa mafy mihitsy 
sady tia mitsitsitsitsy
Fa rehefa tonga ny andro mba hodiana
dia somary adino kely aloha ilay fitsitsiana
Tena hikipiana irony fandaniana
Mandany vola miaraka amin’ny fianakaviana
Tsy hoe manam-bola be  
dia indreo mirehareha
fa mba manao vakansy any Madagasikara
Mitondra voandalana hitany fa tsara
Vita ny vakansy dia miverina indray  
Misy tsy tafody fa aty mandrakizay
Ao ireo tsy afa mihetsika fa tsisy taratasy
Izay ilay andafy ry vahoaka malagasy

Rasamy

Rasamy

Laisser un commentaire