Oadray ity vody be, toa haderadera
Tena mahamenatra an-drizareo masera
Tsy misy pataloha
fa io mivandravandra ireo tavany ankiroa
Fa nahoana mihitsy moa?
Tsy vitan’izany
f’io koa eo amin’ny tany
ilay tay be nivoaka
Fa ny mahagaga dia tsy misy mitsoaka
Mainka aza maka sary
Ireto bandy tsy manjary
Faly mahita vody sy tay sary vongana
Ilay toe-tsaina mihitsy ve no mitotongana?
Sa moa izao Ilay « art »
dia lazaina fa hoe « tsara »
nefa vody no haseho?
Mba ahoana moa raha tsy ireo no teo
fa vody tena izy
Tsy vodin’ankizy
fa an’olon-dehibe
Miampy tay be ?
Moa ve ireto bandy ireto mbola hihomehy?
Rasamy