Aleoko ihany

Aleoko ihany

Tsara aty ampita e
Tena tsy azo lavina fa hiaraha-mahita,
ilay fandrosoana
Tanteraka aty ilay fanatontoloana
Lafatra aok’izany ny fanajariana
Izay jeren’ny maso zary mahavariana 
Ny fiara misosa amin’ny lala-mikodàna
Ny ankamaroan’ny olona manaraka lalàna
Tsara karakara ny fahasalamana  
Madio tsisy vovoka eran’ny tanàna
Misy kolikoly fa tsy tafahoatra 
Rariny aty raha mivelatra mivoatra
Ny jiro sy ny rano efa mandeha hoazy
Nofinofy aty izany hoe delesitazy
Be no azo ambara, tsy ho voatanisa
Na izany aza anefa, ny aty tsy paradisa

Koa na eo aza izany rehetraretra izany 
Izaho tsy tamàna fa mbola hody ihany
Tsy mety amin’ny saiko ny hitoetra aty andafy
Aleo any an-tanindrazana no miasa mafy
Hanao izay tratry ny heriko hanampy malagasy
Hampianatra ny zandry hahay taratasy
Hampiroborobo ny asa fihariana  
Hiaina akaikin’ireo fianakaviana
Ny taniko sy tranoko tsy tiako ho bobongolo
Tsy foiko ihany koa ilay eny ambanivolo
Tsy ny toetra maloton’ny mpanao politika
no handeha hanariako ny tanindrazantsika
Ekeko ilay andafy fa mandroso tsara
Nefa aleoko ihany any Madagasikara

Rasamy

Laisser un commentaire