N’inona n’inona ambara
dia aoka atao mazava tsara,
fa hafa foana ny toe-tsaina
sy ny fahaiza-mianan’ny,
olona nandia fianarana.
Tsy nitandro hasasarana
tamin’ny asa fikarohany.
Tsy hoe olona tampohany
na koa tia miwerawera,
anaty fitaovan-tserasera.
Tia mampianatra tanora
Tsy nividy diploma mora
Izay ilay hoe Profesora
Koa aoka tsy ho ambaniana,
fa na oviana na rahoviana
ary n’aiza koa na aiza,
ny Profesora izay nitaiza,
nampianatra nikolokolo,
indrindra k’efa fotsy volo,
dia mendrim-panajana,
n’iza n’iza fanjakana
Omeo ny toerana sahaza
na dia tsy mitady laza.
Ny tena ilain’ny firenena
dia ny olona manetry tena,
fa ny fahaizany no harena
Rasamy
.
.
.