Malahelo aho mahita izato fireneko
Maizina ny zavatra hitako sy reko
Ny jiro tapatapaka, tsy misy koa ny rano
Mitaraina aby ny isan-tokantrano
Sahirana ihany koa ireo orinasa
Mafy ny mahazo ny mpianatra sy mpiasa
Satria isan’andro dia delestazy
Ny vahoaka mihitsy no toy ny voasazy
Kanefa vao mijoro sy mba mitaraina
Dia indro fa vonoina, darohina ratraina
Tsy avela mba hiteny sy hilahatra akory
Vahoaka tena mihafy, firenena ory
Rahoviana vao hiova ny fiainana etoana
Tsy misy intsony ve izay mba fihainoana
Voaozona ary ve ny vahoaka malagasy
Izay mba sahy miteny dia ambanana amy basy
Nefa mahagaga, ny mpanao fandrobana
Mandoro sy mamotika eran’ny tanàna
Toa jerena fotsiny tsy misy fanakanana
Potika ny asa, rava ny fananana
Rasamy
Rasamy