Badoda dia anarana foronina,
satria mora tononina,
entiko ilazana ireo ampahan’olona,
mpamono ireo tanora milahatra mitolona.
Manampatra ny heriny sy ny vavabasy
Tsy menatra midaroka mamono malagasy
Manaraka fotsiny ny baikon-tsonegaly,
dia tsy mijanona mihitsy mampijaly,
ireo tanora mitaky fahafahana
Mamerina ao an-tsaina ny androm-panjanahana
Ilay fanjanahan-tany nataon’ny vahiny,
no indro toa miverina indray ankehitriny
Satria izay manohitra mahasahy miteny,
dia iny ry Badoda mikapoka azy ireny
Tsy misy indrafo, fa mampitomany
Asa rahoviana vao hifarana eto izany
fandatsahan-drà mpiray tanindrazana,
fa hatreto aloha ny tazana,
dia ireo Badoda tia manapoaka
Mamono ny vahoaka
Nefa tadidio, …
fa mbola misy farany ny zavatra rehetra
Ny herin’ny Badoda koa mbola hisy fetra.
Ny tantara no hitsara,
anareo badodan’ny Madagasikara
Rasamy
,
.