Halam-bahoaka

Halam-bahoaka

Mafy koa raha mafy izany halam-bahoaka,
satria dia milefa mandositra mitsoaka,
tsy mahavita mijanona eto akory,
tsy mahita tory,
mahia fotsy hatsatra,
ny fo sy ny saina tsisy fialan-tsasatra
Vao misokatra ny vava ka te hikabary,
dia indro fa asehon’ny vahoaka miharihary,  
ny tsy fitiavana azy intsony.  
na ny mijery azy aza mankalonilony.

Mafy tena mafy mila tsy ho zaka
Ny tena efa zatra an’ilay nanjakazaka
Niaina tao anatin’ny herim-panjakana
Tompon’ny vola sy ny fitsarana.  
Kinanjo tampoka eo,
sendra vahoaka leo.
Nipoaka tokoa ny sarombilany
He hafa ny omaly tsy toy ny androany
Anio, sady menatra no koa mitomany
Lasa misitsisitrika fa tsy sahy mivoaka
Toy izany ny mpitondra rehefa halam-bahoaka

Rasamy

Laisser un commentaire