Mpiady seza

Mpiady seza

Vao vita izao ny tolona,
dia tsy maintsy misy olona
handeha hihazakazaka hitady seza.
Maro izy ireny tsy mijanona eo mateza,
fa tetezamita ihany,
satria tsy mba mety ho voafidy izany  

Ireo ilay mpijapy tolona hatrizay
Misy fandresena dia iny miolomay
Midina eny an-kianja hono hikabary,  
dia eny ambony sehatra midongy alaina sary.  
Nandritra ny ady anefa tsy hita popoka
Ny hafa voadaroka natao vono moka,

Iretsy mpiady seza tsy nanao n’inona n’inona
fa hono mpanao politika tsinona,
dia mihevitra fa manana zo handray anjara
Hiaraka hitantana an’i Madagasikara  
Nefa dia olona tsarain’ny tantara

Koa tandremo re ry mpitondra vaovao
Jereo tsara ny olona hotinendrinao,
tsy ho faikan’olona mpiady seza lava,
tsy misy atidoha fa kosa basivava.
Maro ireo mahay sady manam-pahendrena
Tsy mbola nitondra teto amy firenena  

Rasamy

Laisser un commentaire