Betsaka ireo mpianatra eny Ambohitsaina
no velon-taraina,
fa tsy mahazo trano
Ireo mahazo indray dia mahita angano,
satria dia ratsy sy tsizarizary
tena tsy manjary
ny fonenan’izy ireo.
Ireo tena mpianatra mijaly mitoreo,
noho ireto trano tsy voakolokolo
Tsy vitan’izany fa hita ao daholo
rehefa karazan’olo
Trano tokony ho an’ny mpianatra ihany
Kanefa dia tsy izany
no zavatra hita maso
Hita ao hatramin’ny mpilaiso sy malaso
Ao ihany koa ireo mpivaro-tena
Misy épicerie sy mpivaro-kena
Ny mpanao volo sy mpanamboatra fiara
Ny mpivarotra fanaka toy ny farafara
Ny mpanao soudure sy ny karaoke
Ny cash point sy cybercafé
Ny mpivaro-masikita sy tonotono akoho
Ny bar fisotroana tsy lazaina intsony moa
Ny ankamaroan’ireny tsy mpianatra akory
Ireo tena mpianatra no mihafy sady ory
Maro izy ireo no iray efitrano
Olana eny koa ny jiro sy ny rano
Mila ovaina mihitsy e, esory izay tsy izy
Avelao ny trano ho an’ireo ankizy
tena mbola vonona hanohy ny fianarana
Ilay gaboraraka asio fitsaharana
Rasamy