Fanambadiana

Fanambadiana

Ny fanambadiana,
dia tsy akory hoe fifaliana
foana mandavantaona.
Fa misy koa fotoana,
mifampila vaniny sy miadiady,
mifangaringarika eny ny mpivady

Mifanome lamosina tsy mifampiteny  
Kanefa, … ireny rehetra ireny
dia mandalo ihany
Tsy maharitra ela dia indreo mifanontany,  
miombona indray.  
Izay ilay olondroa nitambatra ho iray

Indraindray tsy mitovy ny fisainana
Fa kosa, … natambatry ny fiainana,
sy ny fitiavana dia lasa ankohonana
Misy tanjona iombonana
Miaraka mitia ny zanaka nateraka
Manana nofy tiana ho tanteraka  
Fiarahan’olondroa, tia sady tiana
Moa tsy izany ve ny fanambadiana ?

Rasamy

Laisser un commentaire