Tia ady

Tia ady

Mahagaga mihitsy isika olombelona
Tia miadiady nefa te ho ela velona
Miady misaritaka ny samy firenena
Daroka amin’ny baomba no heno sesehena

Miady an-trano koa ny ao anaty fanjakana  
Mifanonganongana hahazo fahefana
Dia iny fa mitolona mampiady ny vahoaka
Mandriaka ny rà noho ny basy izay mipoaka  

Ady no mameno ny toeram-pitsarana
Mpifanolo-bodirindrina sy iray tanàna
Miady mifandramatra tsisy fiafarany
Mifampitoritory amin’ny resaka ady tany

Anaty tokantrano dia hahitana adiady
Mifampidarodaroka mihitsy ny mpivady  
Loza fa dia misy aza ireo mpiray tampo
Tsy mifandevimaty fa miady lova moa

Tsy vitan’izany, fa aoka re ifonana  
Misy ady koa hatrany am-piangonana
Miady noho ny hevitra tsy ifanarahana
Tia ady hatramin’ny mpitondra fivavahana  

Rasamy

Laisser un commentaire