Hifarana

Hifarana

Andriamanitra o, hifarana ny taona
Izaho tsy mitsahatra misaotra Anao foana
satria dia betsaka ny zava-nokinasa,
na tamin’ny ankohonako na tamin’ny orinasa
no tontosa soamantsara
Na nisy aza krizy teto Madagasikara.

Misaotra indrindra noho ny fahasalamana
Isaraoko ihany koa ny amin’ny fahalalàna
sy fahaizana kely mba hitako nitombo
Ary ifonako izay mety ho romborombo
na adiady kely nisy indraindray
satria dia nofo sy rà ihany izahay

Andriamanitra ô, izaho dia manaiky fa tsy lavorary
Misy ny zavatra nataoko tsy manjary
F’Ianao namindra fo sy nitahy foana koa
ka nahatonga ahy nahazo vokatsoa.
Ianao no nanampy tsy nisy fitsaharana
Koa nahitako fahombiazana ny taona izay hifarana

Rasamy

Laisser un commentaire