Sambatra ny olona izay madio fo
Tia ny ray sy reniny sy iray tampo
Tsy mihatsaravelatsihy,
na modimody tia,
fa tena mankamamy ny fifankatiavana
Akaikin’ny fon’ny namana sy havana
Ny madio fo dia tsy misy fialonana
Miezaka hatrany amin’ny fiombonana
Tsy tia miadiady,
indrindra tsy mampiady,
fa olona tsotra mandala fihavanana
Sady tia miantra tsy manosibohotanana
Tsara saina izy sady liam-pivoarana
Mahay mifaly sy mahita fahasambarana
amin’ny ezaka efa vita,
sy amin’ny namany tafita.
Mamela ny heloky ny hafa ihany koa
Toy izany ny olona izay madio fo
Rasamy