Dada ô, tsapako mihitsy ny mahazo anaoMafy loatra mantsy izao fiainana izaoMidangana daholo ny entana eny an-tsenaTsisy mora intsony izay zavatra jerena Na ny anana aza, tsy toy ny taloha Ny jiro sy ny rano ary ny hofan-trano koaNy solika izany moa dia efa tsy hay lazaina Ny "bus" eninjato hatramin’ny marainaLoza fa nitombo ihany koa ny saribaoMaharaka an'izany … Continuer à lire Matokisa anaka
Auteur : rasamison
Rehefa maty ianao
Rehefa maty ianao vao tsapany indrayFa iny olona iny, ilay tsotra sy nahayIny ilay modely mendrika tahafinaNiavaka amy toetrany, hita fa tsy nihafina Rehefa maty ianao vao omeny fanajanaVery olomanga hono izao ny tanànaOmeny dera ianao, ary ankalazainyNy soa vitanao no indro hirahirainy Rehefa maty ianao dia namany nahatokyAtaony lahatsoratra ao anaty fesibokyIndraindrainy ianao fa olona niavakaSaingy ianao … Continuer à lire Rehefa maty ianao
Manomeza fitafiana
Mangatsiaka ny androtsy maraina tsy atoandrofa dia mamirifiryNefa ny akanjony tsy dia misy firyManify dia manifyHany azony atao dia mitampifipifyeo ambanin'ny tonelinaTsisy na dia mofo kely mba atelinaMafy ilay mahantra eManantena ny hafa ho tonga mba hihantra Mijaly dia mijalyFa ianao kosa raha mbola afaka mifalytsy dia misy mahaoryAnaty bodofotsy no mahita toryMbola misy trano isitrihana … Continuer à lire Manomeza fitafiana
Tohatra fiakarana
Rehefa tsy anaty fitondranaizy ireo ry bandy akama, dia ny vavany malama,mitsikera fanjakana Voatanisany daholoireo toetram-borondolon'ny mpitondra manontoloTena mampitsangam-bolo Fa raha vao azony ny seza ny takolany mihangeza, dia lasa miabo be ny sainy, miova mihitsy izay lazainy Ny mainty ataony fotsifotsyNy feony koa mandrotsirotsyNy fiainany no nihatsara Dia adinony aby ny tantara F'ianao ry akama mba ahoana Moa mpanohana eny … Continuer à lire Tohatra fiakarana
Ifaliako izay ananako
Raha ny vava izay nataonysy ny henjika fanaonyno nataoko tao am-podia lazaiko anao tokoafa efa ela aho no nivarinaAngamba lavo tsy tafarina. Soa ihany aho fa niadyka n'inona n'inona nianjadydia tsy nianjera tamy tanyfa nijoro foana hatranyNisy tanjona kendrenaTsy nitsaha-nanantena Noho ny ezaka nataono mampijoro ahy toy izaoTsy lafatra mihitsy akoryfa kosa tsy isan'ireo oryampijalian'ny … Continuer à lire Ifaliako izay ananako
Tia mifety
Ny malagasy dia vahoaka tia mifalifalyNa eo ny fahantrana efa tena mampijaly Dia miravo sy mandihy ary mihira soamantsara Izay no mampiavaka an'i Madagasikara Na tapaka ny jiro, na tsisy koa ny ranoTonga aloha ny fety dia mifaly ny isan-tranoMivelatra ny tsaky, miakatra ny toaka Tia mirevirevy mihitsy ilay vahoaka Fetsy noho izany 'reo mpitondra fanjakanaManko hainy … Continuer à lire Tia mifety
Mpila vaniny
Misy karazan'olona milamila vaninyIzay atao rehetra toa tsisy mety aminyNa inona na inona zavatra mitrangadia ny miiba ihany no tiany harangaranga Talenta tena hainy ilay mitsaratsara Toetrany hatrizay ilay manitatra tantara Izay tena zava-misy tsy tiany ho fantarinaNy any an-dohany ihany no ataony zava-marina Dia iny mitsatsaingoka etsy sy eroa 'Ty zava-drehetra ity toa hainy avokoaAndroany izy mpitsara, rahampitso … Continuer à lire Mpila vaniny
Dada tia anao
Anaka, fantatrao tsarafa sarotra ny fiainana eto MadagasikaraToa tsy hita izay mangirana Mitombo hatrany ny isan'ny olona sahirana Kanefa angamba anaka, tsapanao ihanyfa na eo aza izany ady sarotra izanydia miezaka i Dada, mikiry tsy ankijanonahahatonga anao ho lasa olom-banona. Ny tena ato am-poko sy raikitra an-tsaikodia antom-pivelomako ianao ry sombinaiko.Na inona na inona mafy ho zakaikosy olana … Continuer à lire Dada tia anao
Dimapolo taona
Mandeha tokoa ny fotoanafa vetivety foanadia feno dimapolo taona Toa tadidiko etoana,tsy adino fa tsaroanairony androm-pahazazanasy ny fahatanoranaRaikitra ho fahatsiarovana ny fiainana izay nandalovana,ny sarotra izay nodiavina,sy olona izay notiavina,ny ezaka izay nahatafita.Misy koa izay tsy vitakanefa tsisy hanenenana,fa ny andro sisa dia hanarenana izay mbola azo hatsaraina,satria dia mbola velon'aina Hiaraha-mahalala firifiry ireo nikasa sy naniryho feno dimapolo … Continuer à lire Dimapolo taona
Azy ny finoany
Misy ny mivavaka amin'ny zavamananainaNy hazo sy ny biby no tiany hamasininaIreny no heveriny ho manavotra ny ainaIzay no finoany, tsy ataoko tsinontsinona Misy ny mivavaka amin'ny razambenyTiany sy hajainy, ary koa henoiny Manana ny fomba amam-panaony irenyIzay no mahasambatra ny sainy sy ny fony Misy ny mivavaka amin'ny sarisary vonganaAo koa ny mino Zanahary an-danitra … Continuer à lire Azy ny finoany









