Auteur : rasamison

Ny ankohonako

Ny ankohonako

Na mafy toy ny inona ny asa fivelomako Na sarotra tsy mora ny ady hitolomakoDia ataoko izany fa tsy himenomenomakoSatria hahasoa an'ireto ankohonako  Na maro sakantsakana ny lalana hizorakoNa inona hafaliana sy mety hasosorakoTokana ihany ny tanjona hifotorako Dia ny hahasambatra an'ireto ankohonako Rasamy

Tsapako tena mamy

Tsapako tena mamy

Tsapako fa tena mamytsy misy toy izanyilay miaraka aminao. Hafa tsotr'izao Ô ry tiako sy lalaikoHe faly ery ny saikomandre ilay feonao kanto, miangola sy milanto, ary koa mandrotsirotsyhatrany anaty bodofotsy  Tsapako fa tena mamy Hankafiziko hatrany ilay tratranao matevina. Zary mampievinevina raha sendra tsy eo anilakoianao re r'ilay silako. Tsapako mamy indrindra koa'lay isika tsy mipataloha   fa mianoka fanambadiana eny ambonin'ny fandriana Rasamy

Mesia

Mesia

Raha ny zavatra lazainysy kabary tanisainyno henoina sy jerena dia hainy ny mampanantena. Mipoerapoera fatratra mihevitr'azy ho tonga lafatra k'izay rehetra teo talohalazainy ho resiny avokoafa raha izy no voafidydia ho rava ireo mangidymampijaly ny vahoaka. Ela ny ela ho tafavoaka Hiova hono ny tantaraHo sambatra i Gasikara Izy izany ilay Mesiasady koa mpanao mazia  Moa va tsy toy izany foana nandritra ny enimpolo taona? Milaza … Continuer à lire Mesia

Ndeha re

Ndeha re

Ndeha re mba mivoaka f'aza dia mijanona amin'ny toerana irayMba mijery zavatra any ankafa indray Raha toa ka mikarama, indrindra koa salama, dia mba mandehana manao fizahana. Tsy voatery ho mpananaf'izay eo ampelatananaka azo tsinjaraina, dia io no ampiasaina  Ndeha re miala kely  amin'ny mahazatraMandeha lavidavitra arak'izay tratraTsy voatery foana hoe lasa any ampitaf'atao mahafaly izay tokony ho vita. Aza mangatak'andro fa … Continuer à lire Ndeha re

Marary ka marary

Marary ka marary

Marary ka marary ilay MadagasikaraTsy hitako intsony izay tokony ambaraAleo angamba sisa ny tantara no hitsaraHanenjika antsika ny zanaka any afara May ny tanety etsy sy eroaTsy tanety ihany fa ny ala mihitsy koaRipaka hatramin'ny valanjavaboaharyTsy mifidy dorana ireo olo-tsy manjaryFantatra ihany koa fa na ny gidro azaTratry ny aretina ny eny Tsimbazaza  Ny vahoaka moa … Continuer à lire Marary ka marary

Mpisoloky

Mpisoloky

Misy miangavy mba mila fanampianaIrony efa zatra mitrosa lava ironyMangataka amy namany sy fianakaviana Kinanjo vao mahazo dia iny tsy hita intsony  Misy toa manana tsy mahantra akoryHita ety ivelany ny fiainany misosaKanefa re ny toetrany dia manorisory Sady mpisoloky no tsy mpamerin-trosa  Indrisy fa dia maro no lasa toy izany Tsy ampoizina mihitsy fa feno ny tanàna Voany daholo … Continuer à lire Mpisoloky

Ekena foana e

Ekena foana e

Izaho mba nanantena hoe hahita MIAMI Mitovy tsisy valaka amin'ny any Etazonia  Kinanjo revy hafa mihitsy kay izy ity  Lasa "Miray hina Ary koa Mifankatia" Eny atao ahoana fa izay no zava-misy Toy izany koa izany izao ilay hoe Parisy  Parisy gasigasy vita avy any Ambato  Nefa tiako foana e, izaho handatsa-bato Izaho moa efa … Continuer à lire Ekena foana e

Aza ampatoriana

Aza ampatoriana

Fantaro sy zahao ny talenta anananaoAza ampatoriana fa fohazy sy trandraho N'iza n'iza mantsy dia manana an'izany Hizara ny talenta no tanjona eto an-tany  Ny talenta dia fahaizana voa-janahary  Mety miafinafina tsy mba miharihary  F'azo ampitomboina ary mila ampiasainaTsy afenimpenina fa tokony ho zaraina   Ny olona tafita amin'ny fiainana diavina Dia hiaraha-mahita ary tsy mba azo lavina … Continuer à lire Aza ampatoriana

Iaino ny anio

Iaino ny anio

Raha toa ianao rahampitso ka lasana mandao Tsy ho hitanao intsony ny tsara androanyIanao anefa indrisy hatrizay ka hatrizao Tsy mety afa-po amin'izay mitranga ihany Moa toy izany foana ve ny fiainanao etoanaMitady izay tsy hita sy ny rahona hisava Tsy nakàna tsirony mihitsy ny fotoanaFa dia miandrandra ny ampitso lalandava  Tsy aleo ve dieny anio dia … Continuer à lire Iaino ny anio

Nahoana mihitsy moa

Nahoana mihitsy moa

Nahoana mihitsy moa isika lehilahy,no tia mikôtikôty sy tena sahisahy,misioka vehivavy, pssst tsisy farany,foronina mihitsy hatramin’ny anarany? Misy aza moa tsy henatra tsy tahotra Tsy mihambahamba, sady tsy miahotraTia mikitikitika hatramin'ny fitombenanaVoadaroka avy eo vao latsa-panenenana Nahoana mihitsy moa nareo ampelasoa,rehefa tia ilay bandy mba metimety koa,  no mody maotimaotina mangina tsy miteny,kanefa dia maniry ny ho … Continuer à lire Nahoana mihitsy moa