Auteur : rasamison

Tsy haiko

Tsy haiko

Raha ny zavatra efa haikono handeha hotanisaikodia mino aho sy matokyf'efa hahavitako boky Fa raha ny zavatra tsy haikosy tsy takatry ny saikono handeha hotanisaina ... dia tranom-boky no ilaina Rasamy

Aro vava orona

Aro vava orona

Mamely tsy mitsitsy re izato coronaTsy misy afa-bela fa na vavy na ny lahydia tsy maintsy miaro tenaKa raha ho any an-tsenaNa mamonjy fivoriana Na mandeha miangona mangatam-pitahianaNa any anaty fiara sy eny an-dalana azaTsy maintsy isalorana izao ny saron-tavaTsy vitan'ny misalotra ilay aro vava sy orona Fa sady koa matahotra hitangorongorona Vita hatreo ny molotra feno lokomenaIlay tarehy … Continuer à lire Aro vava orona

Miady an-trano

Miady an-trano

Oadray re ry lala 'ty manjo antsika Toa viravirain'ny mpanao politikaDia mifandramatra sy miady an-tranoIlay Firenena no idiran'angano Mitovy amin'ny foza ao anaty sobikaMifamingampingana tsisy tafitaMifampisintona hidina ambanyDia Gasikara mandady amin'ny tany Rasamy

Zoky Joé

Zoky Joé

Lehilahy tena matotra sady tena tso-piaina Ikoizana tanteraka amin’ny lafiny ara-tsainaTena nanana ati-doha tamin’ny asa nosahaninaNampiaky ny rehetra fa nahay sy matihanina Ilay zoky be fitia izay nanampy ireto zandrinyTafita noho ny herim-pony ary koa ny herin-tsandrinyLehilahy fatra-panaja ny etika nijoroanyIlay mpanompo mahasoa an’Andriamanitra ninoany  Ilay raim-pianakaviana tia nampianatra ny zananyLehilahy nanetry tena n’inona n’inona fananany Ilay … Continuer à lire Zoky Joé

Mbola hihaona

Mbola hihaona

Andriamanitra ô, Vahotra ny lelako, mangovitra ny vavakoTena malahelo sy manjombona ny tavakoNoho ny fahoriana manjo ireto havakoKoa indro re henoy izato tonom-bavako Andriamanitra ô, Mangidy ny mahazo ny fianakavianaMisesisesy loatra mantsy ny fitomaniana Te hikiaka mafy aho nefa aleoko indray manginaSatria avy Aminao ihany koa ny fahoriana  Andriamanitra ô, Tsy afaka manoatra fa tsy maintsy mankato F'izao no anjara … Continuer à lire Mbola hihaona

Mbola hisava ny taraina

Mbola hisava ny taraina

Kivikivy angamba ianao fa tena mafy ny manjoTsy hita intsony izay atao ka mitady hamoy foIsan'andro vaky izao dia toa mandalo  fisedranaMandreraka sy mankalao ny olana tsy hay vahana Izay rehetra mba atao toa tsy hahitana fahombiazanaEfa niantso an'Andriamanitra, efa niantso koa ny razana Nefa tsisy mba mangirana mainka matroka sy maizinaManontany tena hoe nahoana loatra … Continuer à lire Mbola hisava ny taraina

Fo mifangia

Fo mifangia

Tsy ny bika aman'endrikano ilaina, tsy haharendrika fiarahan'olon-droa Fa ny fitia avy ao am-po  Tsy ny vola aman-karenana fitiavana terenamihitsy no hahasambatra Fa fo roa izay te hitambatra Tsy ny resam-pirazananana ny resaka fanananano tokony hampiray Fa fo roa izay te ho iray Tsy ho zary fihafianaakory ny fanambadianaraha samy tena tiany fo roa izay mifangia Rasamy

Toneo ny foko

Toneo ny foko

Ray ô, omeo fo tony aho raha toa ka sitrakao Mba tsy  hankahala noho izao zava-misy izaoTorovana ihany manko ny saina amam-panahyMahita ny mahazo ireo manodidina ahy Fianakaviana firy no misedra fahoriana Tokantrano maro no mizaka fijaliana Latsaka an-davaka ihany koa ny firenena Misy ny mpitondra anefa mampanongo tena Tsy tahotra tsy henatra fa manampahefanaNo miteniteny foana ary tena … Continuer à lire Toneo ny foko

Namela mamy

Namela mamy

Eny lavo ny andrarezina, tena tohina ny foIlay andry niankinana, sady zoky lahimatoaIlay vady tena tia, tsy nahafoy ireto zanany Ilay fihatahatan-dreny, tia mizara ny eny an-tanany Lehilahy fohifofy sy somary botabotaOlon-tsotra be fitiavana lavitry ny sotasotaLehilahy tia nanampy sy nanavotra ny havanyTsikitsiky lalandava no fahita amin'ny tavany Tena tia mivazivazy sady tia mivazovazoMpampitraka ihany koa … Continuer à lire Namela mamy

Tokana ny aina

Tokana ny aina

Toa tsy hitahita akorydia tsy olona matoryno hitanao fa matyMaty tena matytampotampoka eonefa anie ka olona salama izy anikeoTsy ampoizina mihitsyfa tena tsy mitsitsyilay Corona mamono Tsy anganoangano na mbola honohono Dia lasa teo ny saikoMety ho faty koa ny aikoHo avy koa ny anjarakoHo vita ny tantarakoTsisy fampiomananana fifandraisan-tananafa poa toy izaydia ho mandrakizay Alevina androanyIreo … Continuer à lire Tokana ny aina