Auteur : rasamison

Valopolo taona

Valopolo taona

Dieny mbola velona ity Reninay ityDia aleo ampifaliana sy omena poeziaFa tsy rehefa maty ka atao veloma faranyVao omena tononkalo maneho ny tantarany Misaotra anao zahay ry Mama tamin’ireny fitaizanaMisaotra anao nikikitra nahazoanay fahalalànaMisaotra noho ny vavaka nataonao isan'androMba hitahiana anay amin'ny alina sy atoandro Ianao ilay nahantra tsy mba nandia fianaranaZara aza raha nahay … Continuer à lire Valopolo taona

Papa sôsy

Papa sôsy

Raha ny tarehy no ratsyfa ny paosy tsara vatsy, dia tena mahavarianafa satriny hovadiana  Fa raha ny paosy kosano efa arahin-trosa, dia tsy raharahiany, na bogosy aza tsy tiany Moa sarotra ny fiainana, dia miova ny fisainana, ny vola izao no ambonyfa tsy bika izany intsony  Dia loza amin'atambofa tsy mba manan-kambo, ka na antitra efa kola, mbola tiany satria vola Tsy … Continuer à lire Papa sôsy

Fotoana mamy

Fotoana mamy

Tsy ny mivoaka akoryna mandeha miari-torymiaraka amy namana ihanyno fotoana tena mamy Fa ilay mijanona ao an-trano tsy tezitra, tsy mamo, manakatom-baravaranano tena fahasambarana  Satria makamaka ainasady akaiky sombinaina Tsy mivoaka hilanonanafa anilan'ny ankohonana Rasamy

Hira sy mozika

Hira sy mozika

Mozika sy hira ry  havako no mampitraka izato tavakorehefa tojo fahoriana na anaty fahakivianaMozika miadana sy kanto,feo miangola sy milantono manainga ny fanahy,sady mampitony ahy Hira sy mozika koaefa hatramin’ny taloha no hanehoako ny hafaliakoraha tojo izay mba faniriako Hirahiran'ny fitiavana Hirahiram-pahasoavanaMozika sy hira fideranaNameno ny hatanorana  Raha mbola velona ny aiko dia mbola ho sakafon-tsaiko sady fifaliam-pokony mozika izay henoikoManentana ny … Continuer à lire Hira sy mozika

Tsikera

Tsikera

Ilaina ny tsikeraanaty seraserafeno fanajana,manaraka lalànaTsikera mampandrosomitondra vahaolana,fa tsy mampikororosomampitombo ny olana Fa raha hitsikera ihanyaleo mba manontanysy miezaka mamantatraizay tokony ho fantatraMba tsy hiteniteny foanasy hamafy lainga, hanimba sy hanafoanany tsara efa miainga Rasamy

Mama saosy

Mama saosy

Misy etsy andaniny tovolahy bogosy Saingy dia indrisy fa foana izato paosy Dia iny fa mikaroka lalana ivoahanaMitady ramatoa manam-bola iarahana Dia misy ramatoa ihany koa etsy ankilany Mila tovolahy, tiany mba ho silanyLehilahy tanora, bogosy sy matanjaka Tiany tena tiany ny mijery azy mitanjaka Dia mifanojo teo ny ankilany sy andaninyIlay tovolahy moa mihinana izay laninyRavehivavy kosa zary miramiran-tavaTsy … Continuer à lire Mama saosy

Tora-bato miverina

Tora-bato miverina

Tsy misy miala maina raha mbola eto an-tany Ny ratsy atao anio tsy maintsy mbola hivaly ihany Na tsy hivaly vetivety aza fa any aoriana anyNy adala ihany sisa no tsy mety mino izany Izay nanenjika ny hafa tamin'ny lainga tsara lahatraMbola hizaka fanenjehana mitohy tsy ankitsahatraNy olona mpandainga dia ho voafatotry ny vavanyMbola ho avy … Continuer à lire Tora-bato miverina

Ho an’ialahy

Ho an’ialahy

  Ho an'ialahy ry zanakolahitokan'ny aiko, raha mbola hain'ny tanakosy takatry ny saiko, dia ataoko ho an'ialahy, f'aza mba manahy Ny tena faniriako dia ho tafita ialahy, mainka ho tena tiakoraha  hatsaram-panahy, sy fo mora tony no ataon'ialahy ambony Izaho hatoky foanaf'ialahy vonona sy sahy, tsy ho olonolom-poanafa tena ho lehilahy, miavaka amin'ny sainy Tsy adala toa an-drainy Rasamy

Tokana ianao

Tokana ianao

Tokana ianao, izay no ataovy an-tsainaTsy misy toa anao ny zava-manan'ainaIanao dia nohariana ho tokana aman-tanyFa tsisy itovizana amin'olon-kafa izany Koa aza dia variana amin'ny fampitahàna"Ranona tafita, f'izaho ity mihanahanaIzy toa mahay, f'izaho tsy mba toa azy"Aza miteny izany fa mainka ianao voasazy Voasazin'Andriamanitra satria manome tsinyTsy hainao izay kileman'iny olona inyAza mitsiriritra fa ny … Continuer à lire Tokana ianao

Ianao iny

Ianao iny

Ianao ilay mpiteny fa izaho tsy mahavita Manabatibaty mihevitra ahy tsy ho tafitaManambanimbany sy manenjika aoriana Sady tsy manampy fa zatra manakiana Soa fa eo ianao manainga ny hambom-pokoNy toetranao io mihitsy no mainka hijoroakoNa ny eso na ny latsa na ny henjika tsy ahoako  Tsy hampihemotra ahy amin'ny ezaka ataoko Ny tanjona apetrako tsy maintsy … Continuer à lire Ianao iny