Auteur : rasamison

Mpanolana

Mpanolana

Saika isan’andro no handrenesam-peoFa nisy fanolanana hafa indray nisehoNa zaza tsy ampy taona, na efa lehibeNa any ambanivolo na an-tanàn-dehibe Tsy miova ny vaovao  fa mila hahakivyTanora erotrerony, eny mbola ankizyNo voaviravira eny ambony farafaraAtaon'ireo tsy vanona sy tsy valahara Misy tsy mampino, tsy mba vazivazyFa ny dadany ihany no nanolana azyMatetika ihany koa dia … Continuer à lire Mpanolana

Zarazarainy

Zarazarainy

Teti-panorina hatramin'izayFomba fiadin'ny mpanjanan-tanyIlay mampisaraka tsy mampirayFa zarazarainy mba hanjakany Dia iny fa roboka koa ry voazanakaNiady an-trano tsy nifankatiaMbola tohizan'ireto taranakaToy ny voaozona re sanatria  Rahoviana vao mety ho tonga saina Tsy hanaiky intsony ny ho ampiadianyNy fitambarana mantsy no ilaina Ialàna amin'ny tsindrin'ireto vahiny Rasamy (Sary indrana)

Vonjeo fa kere

Vonjeo fa kere

Kere indray ny any AtsimoToa sanatria adinofa efa ho isan-taonadia toy izany foanaTsisy vahaolana tena mba maharitraKere miverimberina anatin’ilay Faritra Mitaraina ny vahoakaTsisy vary tsisy laokaRitra koa ny ranoNy masony sisa no manganohanoRaketa no mba haninyFa io no mba hany vokatry ny taniny Tsisy azo raisina ny vokam-pambolenaTsisy koa ny vola hahafahana miantsenaTsisy ny ambim-bava, … Continuer à lire Vonjeo fa kere

Reraka

Reraka

Indraindray aho mahatsiaro vizana sy reraka Kelikely aina torovana tanterakaHany tiako atao dia mandry am-pandrianaHianoka fotsiny anaty fatoriana Tsy sanatria marary na koa hakamoanaFa vizan'ireo zava-marobe izay manoloanaMila miala sasatra, mila maka ainaAnaty zava-boary mampilamin-tsaina Avela izay tsy vita fa ampitso indray miarina Anio aloha hatory ny saina koa amboarinaNy asa tsy ho tapitra ny hatrehana tsy … Continuer à lire Reraka

Masazy

Masazy

Misy ny masazy manala havizanana Orina daholo ny tongotra aman-tanana Ny kibo sy lamosina, valahana ihany koa Hatrany am-paladiha ka hatrany an-tampon-doha Fa misy koa hono masazy hafakely Masazy izay ataon'ny tovovavy manjakely Tsy manala vizana fa safosafon-tanana? Masazy sandosandoka misy "famaranana" Rasamy

Mibaby trosa

Mibaby trosa

Mahantra ny vahoaka Tsy mety tafavoaka anatin’ny krizy sy fahantrana lalina Toa mihamilentika andro aman’alina Mba miezaka ihany fa tsy mandany andro misento sy tomany Miasa sy mitozo Na dia efa vizana sy mangozohozo Ny hanina ampitso mantsy tsisy mba mangirana Ny hatokona anio aza mbola manahirana Ny aina efa reraka, ny adidy koa miavosa … Continuer à lire Mibaby trosa

Isika asainy mihiboka

Isika asainy mihiboka

Isika asainy mihiboka mijanona an-trano Voasazy raha sendra tratra alina mivoaka Fa misy ny mpitondra tsy mody raha tsy mamo Mirevy any ivelany amin’ny tsaky sy ny toaka Isika nofeheziny noho ny aretina mandalo Nampiharany hamehana ara-pahasalamana Kanefa etsy andaniny nanjaka ny « dahalo » Nividy rendrarendra tamin'ny volam-panjakana Isika notereny mba hanaiky izay lazainy … Continuer à lire Isika asainy mihiboka

Solon-trano bongo

Solon-trano bongo

Trano kely tsotra sady tsy mba lafo vidy Kanefa any an-tanàna ka tena sarobidy Tsy amidy tsy atakalo na ampitso na anio Trano famantanana haka rivotra madio Solon-trano bongon'i Nenibe fahiny Avela holovain'ireo zaza ankehitriny Porofom-pitiavana miampy ny finiavana Fa tena tsy adino ny any an-tanindrazana Izao no hafatrafatra ry zanaka amam-para Raha toa ianao … Continuer à lire Solon-trano bongo

Kambana

Kambana

Zaza kambana ankiroa No indreo fa tonga soa Dia i "Mifalia" sy i "Miravoa" Misaotra indrindra ry Tsitoha Misaotra noho ny fitahiana Endrey ravo ny fianakaviana Tonga mantsy ireo nirina Tondraka ny fifaliana Ny Ray sy Reniny arahabaina Fa nahazo sombinaina Nomeny zanaka sahaza Lehibeaza haingana ny zaza Dadatoa Rasamy

« Resa-tselfie »

« Resa-tselfie »

Mahagaga mihitsy ny fisainantsika Fa raha sary mampiseho endrika amam-bika Dia indro mihazakazaka miara-mankafy « Mi-jaime » daholo mahita « selfie ». Faly ery mizara ilay sary indray mipika « Photoshop » koa mahavita zavatra majika Dedaka mahazo « sary fo » be dia be Miampy « coms » miteny hoe « ndry tsara tarehy». … Continuer à lire « Resa-tselfie »