Auteur : rasamison

Ny alahelo

Ny alahelo

Ny alahelo raha kobonina tsy avela mba hivoaka,dia toy ny vanja izay angoninaatahorana hipoaka Ny alahelo tsy zaraina fa mihiboka ao anaty,dia mankararirary sainamahatonga valifaty Ny alahelo raha ambaraamin'ny havana sy namana,dia kendreo mba hahatsarafa tsy hanimba fihavanana Ny alahelo sy tomany dia tsy maintsy hisy foana,nefa avela handalo ihanyfa tsy ho mandavan-taona Rasamy

Rediredy tsisy fetra

Rediredy tsisy fetra

Tsy hitsahatra aho hanoratra Tsy hangina aho fa hitenyHo raketiko an-tsoratraIreny rehetraretra ireny Na fahoriana izay mandaloNa fifaliana tsisy fetraNa ny sedra mampimaloNa fitiavana mitoetra Na ny zavatra hita masoMitondra tsikitsiky sy hehyNa ny sompatra sy ankasoMampanjombona tarehy Na ny ziogam-pahantrana Izay lanjain'ny vahoakaNa hetahetam-piovanaDia dradraina mba hivoaka Raha avy ny andro hahafatesakoHandry ambany rangolahyNy … Continuer à lire Rediredy tsisy fetra →

Tsiky

Tsiky

Tsikitsiky monja dia mahamiran-tsainahafatra mafonja  ho an'ireo izay mpitaraina Tsikitsiky ihanyno manampy ny fanahyhamafa ny tomanysy ny zava-mampanahy Tsiky no enti-miadyamin'ny zava-manoloanaka n'inona mianjady dia asiana tsiky foana. Rasamy

Kabone

Kabone

Fantatrao va re ilay tranokely iray Efa fanta-daza mihitsy aza izy izay.Mahay azy daholo ny vahoaka manontolo n'aiza n'aiza izany raha mbola eto an-tany.Ao tsy maintsy handehanana,ny taratasy an-tanana,rehefa injay fa tonga ilay tokony atao.Na ny mpanjaka aza tsy maintsy miditra ao Sady fangerena izy no toerana fisainana Tranokely tsotra fa ilaina amin'ny fiainana Soa … Continuer à lire Kabone →

Vavaky ny marina

Vavaky ny marina

Tsara ny mivavakaanaty toetra miavakafeno fahamarinana,anaty filaminana.Ny vavaky ny marina mantsy dia mipaka,ka mety hampitraka,ireo lavon'ny fiainanatsy mety mba tafarina anaty fitarainana. Fa masina kokoa raha arahina asa soasy fifanomezan-tananaho an'ireo tsy manana,sy ireo izay miaina anaty fahorianaka mila fanampiana, izany vavaka izany,fa tsy eo imolotra sy am-bava fotsiny ihany. Rasamy

Tarigetra

Tarigetra

Na inona sarotra tsy maintsy hodiavikoNa inona olana tsy maintsy sedraikoNy hiverin-dalana kosa dia lavikoTafita no masaka am-po sy ny saiko Na inona sakana avy eo anoloakoNa inona henjika avy any aoriakoTohizako foana ny ezaka ataokoTsy maintsy tanterako ny faniriako Na iza hitsivalana sy hanambanyNa iza hanakivy sy hisetrasetraNy sori-dalako tokana ihanyNdeha hanatratra an'ilay tarigetra … Continuer à lire Tarigetra →

Mpanolana

Mpanolana

Saika isan’andro no handrenesam-peoFa nisy fanolanana hafa indray nisehoNa zaza tsy ampy taona, na efa lehibeNa any ambanivolo na an-tanàn-dehibe Tsy miova ny vaovao  fa mila hahakivyTanora erotrerony, eny mbola ankizyNo voaviravira eny ambony farafaraAtaon'ireo tsy vanona sy tsy valahara Misy tsy mampino, tsy mba vazivazyFa ny dadany ihany no nanolana azyMatetika ihany koa dia … Continuer à lire Mpanolana →

Zarazarainy

Zarazarainy

Teti-panorina hatramin'izayFomba fiadin'ny mpanjanan-tanyIlay mampisaraka tsy mampirayFa zarazarainy mba hanjakany Dia iny fa roboka koa ry voazanakaNiady an-trano tsy nifankatiaMbola tohizan'ireto taranakaToy ny voaozona re sanatria  Rahoviana vao mety ho tonga saina Tsy hanaiky intsony ny ho ampiadianyNy fitambarana mantsy no ilaina Ialàna amin'ny tsindrin'ireto vahiny Rasamy (Sary indrana)

Vonjeo fa kere

Vonjeo fa kere

Kere indray ny any AtsimoToa sanatria adinofa efa ho isan-taonadia toy izany foanaTsisy vahaolana tena mba maharitraKere miverimberina anatin’ilay Faritra Mitaraina ny vahoakaTsisy vary tsisy laokaRitra koa ny ranoNy masony sisa no manganohanoRaketa no mba haninyFa io no mba hany vokatry ny taniny Tsisy azo raisina ny vokam-pambolenaTsisy koa ny vola hahafahana miantsenaTsisy ny ambim-bava, … Continuer à lire Vonjeo fa kere →

Reraka

Reraka

Indraindray aho mahatsiaro vizana sy reraka Kelikely aina torovana tanterakaHany tiako atao dia mandry am-pandrianaHianoka fotsiny anaty fatoriana Tsy sanatria marary na koa hakamoanaFa vizan'ireo zava-marobe izay manoloanaMila miala sasatra, mila maka ainaAnaty zava-boary mampilamin-tsaina Avela izay tsy vita fa ampitso indray miarina Anio aloha hatory ny saina koa amboarinaNy asa tsy ho tapitra ny hatrehana tsy … Continuer à lire Reraka →