He tsapa ery mazàna fa misy fahabangana ny ao an-tokantrano ao raha toa ny vehivavy ka sendra mba mandao. Na andro vitsy monja tsy maharitra akory dia io ralehilahy fa tsy mahita tory. Indrindra sanatria hoe lasa nodimandry ilay vady andefimandry dia maro ireo lehilahy no osa vetivety toa antitra malaky fa tsy mba metimety. … Continuer à lire Soa fa nisy vehivavy
Auteur : rasamison
Ny azy sy ny antsika
Ny azy ny herinaratra efa ny herin’ny masoandro Ny antsika mbola solika no miakatra isan’andro Ny azy politika no mitondra fandrosoana Ny antsika fanonganana no tena imasoana Ny azy ny tanàna madio sy tsara voatra Ny antsika zaoridira no mila hampitroatra Ny azy efa ho paradisa izay jeren’ny maso Ny antsika izay mijoro indray no … Continuer à lire Ny azy sy ny antsika
Manoratra momba an-dRasamy i Voniary
Raha vao nivoaka ilay bokin-dRasamy dia nanoratra taty amiko i Voniary ny amin'ny mba faniriany hiresadresaka fa te hahafantatra ny momba ahy sy momba ilay bokiko izy. Ary dia nihaona tokoa izahay mianadahy, nitafatafa nandritra ny minitra maromaro tao amin'ny biraoko. Nahafinaritra ny fihaonana satria samy mpanoratra bilaogy moa no niresaka. Vehivavy tsotsotra mahafinaritra i Voniary … Continuer à lire Manoratra momba an-dRasamy i Voniary
Voretra
Mba mahagaga loatra fa voretra tsy mivoatra ny ankamaroan'ny malagasy. Fa manipy taratasy vao nafono mofo gasy eny an-tokontany sy eny an-dalana eny. Tsy mahafehy tena sady tsy mifampiteny na mba mifananatranatra. Ka na ireo heverina fa olona nianatra na koa hita izao fa mba manan-katao dia toy ny tsisy saina fa adala tsotra izao. … Continuer à lire Voretra
Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby
Ato amin'ity pejy Rediredin-dRasamy ity dia misy sokajin-dahatsoratra izay miresaka manokana momba ireo fampisehoana an-tsehatra izay mitranga eto Antananarivo na any amin'ny toeran-kafa koa. Koa raha ny fampisehoana nataon'ny hafa aza moa tantaraiko eto, nahoana ny fampisehoana izay nataoko sy nokarakaraiko no tsy mba tantaraiko? Izany indrindra no nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra ity ho anao … Continuer à lire Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby
Tsy lahatra ny fahantrana
Tsaroako ery fahiny fa iny namako iny dia nahantra sy kamboty tsy mba afaka niangoty satria nilaozan-dray sy reny mbola zaza tsy niteny. Niharitra sy nihafy kanefa niady mafy nihoitra tamin'ny fiainana. Tsy mba feno fitarainana fa na oviana na oviana dia nahay nampangina ho azy samirery, tao am-pony tao izay mety ho alahelony. Tsy … Continuer à lire Tsy lahatra ny fahantrana
Joffreville, fantatrao ve ?
Ny tanànan’ny Joffreville dia miorina ambony havoana iray izay sahabo ho 32 km miala ny tanànan’Antsiranana no misy azy. Raha ho any ianao dia manaraka ny lalam-pirenena faha 6 aloha tokony ho 13 km eo raha miainga eo Antsiranana, avy eo dia mivily miankavanana. Manana ny mampiavaka azy tokoa ity tanàna ity raha ny ara-tantara … Continuer à lire Joffreville, fantatrao ve ?
Aleo mangina
Na tapitra tsy ho faly fa vonona hampijaly sy hanenjika anao aza izao tontolo izao. Kanefa ianao mahatsapa ho tsisy zavatra hafahafa nataonao mampanahy mety haningotra fanahy. Satria fiainam-pahamarinana anaty filaminana no niainana hatrizay. Nefa misy manaratsy indray ... Dia aza taitra akory aza ataonao mampahory izany rehetra izany fa fomban-tany ihany. Aza mitanondrika na … Continuer à lire Aleo mangina
Aza hitako any izany
Lafo vidy izao ny vary ka mila ho mosary ny ankamaroan'ny vahoaka satria ny iray kapoaka dia efa ho arivo ariary. Halatra miharihary ataon'ireo izay tsy manjary, sa vokatry ny fitavozavozàna ataon'ireto fanjakana? Sambany hono izany raha zohina ny tantara teto Madagasikara Mampanontany tena ny zavatra miseho satria vao vetivety teo dia niakatra ihany koa … Continuer à lire Aza hitako any izany
Fiainana miovaova
Io lanitra io akory tsy ho mangamanga foana fa miova ho fotsifotsy sy matroka ihany koa Na ny diavolana aza tsy mandavan-taona fa mety maizinkitroka ny ao an-tampon-doha Ny kintana alinkisa koa tsy voatery ho hita fa rahona no tazana mandrakotra ny tany Izany anefa akory tsy dia hoe midika fa tsisy kintana intsony any … Continuer à lire Fiainana miovaova









