Voretra

Voretra

Mba mahagaga loatra
fa voretra tsy mivoatra
ny ankamaroan’ny malagasy.
Fa manipy taratasy vao nafono mofo gasy
eny an-tokontany sy eny an-dalana eny.
Tsy mahafehy tena sady tsy mifampiteny
na mba mifananatranatra.
Ka na ireo heverina fa olona nianatra
na koa hita izao fa mba manan-katao
dia toy ny tsisy saina fa adala tsotra izao.
Manipinipy fako sy manao maloto
mitovy tsisy valaka amin’ireo jiolahimboto.
Toa efa lany henatra sy tsy mivaky loha
ka na mivandravandra eo ambonin’ny tamboho
f’izay mamàny eo anie ka mitovy amin’ny amboa
dia misy tsy manaiky fa toy ny amboa tokoa.

Indrisy mahamenatra sady mahonena
fa betsaka ny olona mampanongo tena.
Tsy anavahana intsony
na ambany io na ambony
f’efa lasa fahazarana
ny mahita olona mamonjy filaharana.
Ka na miaraka eo ny fako sy sakafo amidy
dia milahatra eo daholo koa ny olona mpividy.
Na efa mifanjevo eo ny totozy sy voalavo
dia velarina amin’ny tany eo ny voankazo sy voatavo.
Tsy mahataitra intsony ny mahita zaoridira
lalovana eny fotsiny sady mbola mihirahira.
Ny mpitondra moa mahita fa tsisy te-hahalala
mirifatra amin’ny fiara sady arahin’anjomara.
Tsy hita intsony izay lazaina fa efa zavatra mitoetra
ilay fako misavovona sy olona voretra.

Rasamy

Laisser un commentaire