Tandremo tsara leitsy fa ny mpametsifetsy mpangalatra sy mpanambaka dia tsy mba hiorim-paka ao aminy tsy akory ny harena izay voavory fa mandalo ihany ka any aoriana any dia mbola hitomany Mbola ho latsa-nenina satria izay nafenina tsy maintsy mbola hipoitra ary mainka koa hivoitra ka hiseho hivandravandra toy ny vay fa tsy mba tandra miseho … Continuer à lire Mba saino ihany leisy
Auteur : rasamison
Tiako ianao satria
Fandrentsika ombieny ilay hoe tiako fotsiny ihany Tsy misy hoe nahoana, tsy asiana hoe satria Ny ahy kosa re dia tsy mba toy izany Fa tena marobe ny anton'ilay fitia Tiako ianao mitsiky, mizara hafaliana Tiako koa rehefa injay mba malahelohelo Mahay mampahery raha sendra hakiviana Na misy zava-tsarotra toa manelohelo Tiako ilay ianao mavitribitrika … Continuer à lire Tiako ianao satria
Namana
Misy ny namana mody mba namana rehefa ao anatin'ny fahasahiranana fa vao nahita izay azo ihoriranana dia iny nilefa tsy hay nosakanana Misy tsy namana fa lasa namana ny fesiboky no mba ikambanana ka na tsy misy fifandraisan-tanana ifampizarana izay hevitra hananana Misy koa namana lasa tsy namana satria nanary tsikalam-pihavanana fa tsikalam-bola no lohalaharana dia indro nisaraka … Continuer à lire Namana
Mino tsotra izao
Avela hanakora izay te hanakora Fa hoe tsisy hono Ilay Andriamanitra Tsy mila porofo fa valiana mora F'isika dia mino Ilay Ray any an-danitra Avela haneso izay te haneso F'isika mijoro amin'ny finoana hatrany Ka ny fiderana tohizo, venteso Mba hanakoako any rehetra any Avela hanaraby izay te hanaraby F'isika tsy menatra miantso ny Ray … Continuer à lire Mino tsotra izao
Vahoaka sy mpitondra
Vahoaka jenjina sy midororororo Mpitondra etsy andaniny sarotra atoro Vahoaka tsy faly sy be menonenona Mpitondra marenina saro-tenenina Vahoaka efa zatra mpanao tatasiaka Mpitondra mandreraka sy manaliaka Vahoaka beloha sy tia gaboraraka Mpitondra mampiady sy tia mampisaraka Vahoaka tsy tia manara-dalàna Mpitondra tampohan'ny fahefana Vahoaka sorena tsy mety afa-po Mpitondra tia tena sy toa ratsy … Continuer à lire Vahoaka sy mpitondra
Ô ry zanak’Iarivo !
Ô ry zanak’Iarivo, aok’izay ny fandeferana Mifohaza amin’izay hiatrika ny fanarenana Ampy izay ny fandravana ireo vakoka sy lova Efa may Andafiavaratra, toy izany koa ny Rova Aza manaiky atao fitaovana, hahazoana fahefana Ka Iarivonao no sorona, rava foana higagàna Raha tsy rotiky ny afo, dia fandrobana mankalao Ô ry zanak’Iarivo, tsy manakambo va ianao … Continuer à lire Ô ry zanak’Iarivo !
Aza kivy ianao
Raha malahelo ianao, fa tsisy mba mangirana ny fiainanao anio Toa maizin-kitroka ny ho avy, tsy hita mba hisava, io rahona io Izay rehetra atao, toa zary tsy mahomby, fa tena mandamoka Aza kivy ianao, fa ny ho tafita foana, no ataovy lokaloka Raha niady mafy ianao, niari-tory koa, niandrandra mba ho afaka Nandà ireo kilalao, sy antsoantso lavan'ireo namana sy tapaka … Continuer à lire Aza kivy ianao
Adalan-drongony
Io andrakandrana io no nahalasa adala Tsy andro mahamay, tsy hatsiaka mamanala Fa isan’andro izao, mitady, tsy hamelàny Lasa miankin-doha hatrany anaty ràny Rehefa mahazo kely dia tena tia midaroka Rehefa tsisy indray, toy ny akoho voakapoka Ny kibo mosarena, tsy ampy ny hohanina Ny vatana malemy, ny loha fanimpanina Maso menamena, hozatra miridiridy Avy … Continuer à lire Adalan-drongony
Voankazon’i Gasikara
Raha voankazo no resahina dia be no azo ambara Paradisa kely mihitsy raha i Madagasikara Indrindra moa fa eto Iarivo sy ny ao Antsirabe Tena mahasambatsambatra sy mampirehareha Rehefa volana desambra, mitobaka ny letisy Sady mora vidy izy eo no tsara kalitao ery Mampiavaka ihany koa ny vaninandro krismasy Fihinanana ireo paiso no tsaroan'ny malagasy … Continuer à lire Voankazon’i Gasikara
Ity fireneko ity
Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fireneko ity no mahantra tafahoatra Sady mahamenatra no mampitomany Farany amin'ireo firenena eto an-tany Izany fiainana eto, toa zary tsy mba miova Izay kely mba mijoro aza, doroina toy ny Rova Na misy fikasana, hanangana ny rava Ny vola indray no very, tsisy mba mazava Ny samy malagasy, … Continuer à lire Ity fireneko ity









