Auteur : rasamison

Anaka

Anaka

Lasa lavitra ny saiko, mandinika ny zava-misy Mararirary koa ny aiko, nahoana loatra re indrisy No be ny zava-dratsy mihanaka, amin'izao andro izao Manahy mafy mihitsy aho anaka, ny amin'izato ho avinao Raha noheverina fahiny, fa ny fanahy no mahaolona Efa niova ankehitriny, lasa adin-tsaiko mitambolona Feno haratsian-toetra, n'aiza n'aiza tsy ankanavaka Izay hita sy … Continuer à lire Anaka

Hiran’adala

Hiran’adala

Raha toa lahy ny hira ka hira mivilana Feony sy tonony tsisy mangirana Aleo re tsy misy fa toa kitoatoa Mampihivingivina mihitsy ny loha Raha toa koa ilay hira ka mivalambalana Madilo ny sofina mihaino eny an-dalana Tsy mandrotsirotsy raha eny ampandriana Tsy aleo ve avela fa tsy be kiriana Tsy ilaina ny hira raha … Continuer à lire Hiran’adala

Tantara tsisy tohiny

Tantara tsisy tohiny

Tiany hono aho ka tiany, tsy ariny intsony Tsy hay sakanana hono ny fitempotempom-pony Mbola misy hono ve tsirim-panatenana Tsy mampaninona azy ny hiaina anaty fahotana Mijaly loatra hono izy f'efa ela naniriana Izato sainy mantsy, tsy mino hoe tsy tiana Hisisika hibosesika, handeha hikiribiby Atosiky ny fony ka tsy manana safidy Isan-kalina izy, milaza … Continuer à lire Tantara tsisy tohiny

Fotoan-gasy

Fotoan-gasy

Mahazatra antsika loatra ilay tara fahatongavana N'aiza n'aiza no hifamory, resak'asa, vangy havana Malagasy tara lava, efa zatra moramora Ilay mandamina tsy taitra, toy ny tsy mahalala ora Rehefa hamonjy ilay fotoana, na maraina na hariva Tsy dia miraika firy, tsy miainga raha tsy efa hadiva Toy ny hoe tsy nisy akory ilay ora izay … Continuer à lire Fotoan-gasy

Mikolokolo fahantrana

Mikolokolo fahantrana

Malagasy marobe no lazaina foana fa sahirana Fa misy malagasy koa mba nahita ny mangirana Fa mba aoka kosa re ilay fihatsaram-belatsihy Mody mba misentosento mitsetra ireto « quatmis » Ny olombelona rehetra dia samy manana ny anjarany Tsy voatery hitovy koa fa samy miaina ny tantarany Misy ireo izay niady mafy vao tafita amin’ny … Continuer à lire Mikolokolo fahantrana

Mpanely tsaho

Mpanely tsaho

Ny malagasy dia mizahozaho Rehefa handainga sy hanely tsaho Zava-tsy marina sy tsy mari-pototra No dradradradrain'ireo lava molotra Toetran'ny gasy efa hatramin'izay Ny valala misy, ny mpilaza mahay Na zavatra kely toa tsy misy fotony Hitariny lava ary koa sarangotiny Na dia angano sy resaka abobo Dia ireo koa fa latsaka anatin'ny vovo Ireto vahoaka efa … Continuer à lire Mpanely tsaho

Tiako ny teniko

Tiako ny teniko

Tiako ny taniko ary tiako ny teniko Nahaizako niantso an'i Dada sy Neny Tandroviko mafy ilay tenin-dreniko Ampianariko an-janako miana-miteny Ny teny ampiasaiko dia ny tenin-drazako Amin'ny fiainako andavanandro Satria io no teny voafehin'ny vavako Moa sitrak'ireo nahitako masoandro Ianarako anefa ny teny vahiny Satriko mihitsy aza hahay teny maro Fa halako kosa re aza … Continuer à lire Tiako ny teniko

MAY MAY MAY

MAY MAY MAY

Dia taitra ny vahoaka fa misy zavatra mipoaka Inona ary izany ? hoy ny hafa manontany. Mihoraka ny ankizy sahotaka izay tsy izy kinanjo inona indray vonjeo fa « MAY MAY MAY » MAY indray ny Rova potika ny lova rava koa ny vakoka noho ireo mafy hatoka tsy mba laitra anarina mihevitra fa fisaka … Continuer à lire MAY MAY MAY

Ety ambanivohitray

Ety ambanivohitray

Hafa ihany lahy ny ety ambanivohitray Tanàna mangingina mandry fehizay Ny havoana mifandimby amin'ny lohasaha Na tsy paradisa aza, mba maha te hizaha Toeram-pialantsasatra madio rivotra iainana Manainga ny fanahy, mampitony ny fisainana Lavitry ny tabataba, tsara kolokolo Mamiko tsy foiko ilay ety ambanivolo Ny tanety eny antsaha, voavoly tsisy ngazana Ny tanimbary koa efa … Continuer à lire Ety ambanivohitray

Gasikara « afobe »

Gasikara « afobe »

Kely sisa dia hifarana izato fianarana niaretana ny mafy taona maro aty andafy. Taona maromaro izay nampifangaroharo hafaliana sy tomany niampy fizahan-tany. Nanovozam-pahalalàna heverina hampandroso ny tanàna. Ka hikasa hiverina amin'izay handeha hody any aminay. Saingy, ... toa misalasala indray. Tena sadaikatra ankehitriny sanatria ve ho azon-tsiny na koa hoe ho voan'ny tody satria tsy … Continuer à lire Gasikara « afobe »