He satry hiaraka eny foana, hiara-monina eto an-tany Ny fandaharan’Andriamanitra anefa, dia tsy mba toy izany Fa na kely na lehibe, lasa foana rehefa antsoiny Na matanjaka na osa, tsy maintsy hitsahatra ny fony Anjaranao tokoa no lasa ry Papanay, ry Dadabe Ilay andry niankinana, ilay tabia sy rehareha Loharano nipoirana, lohan’ny fianakaviana No indro … Continuer à lire Tsiaro an’i Papa
Auteur : rasamison
Hafatra
N'inona n'inona mitranga N'inona n'inona hanjo Ny lanitra tsy maintsy ho manga Fa toneo aloha ny fo Tsy hanaiky ho resy an'ady Ka hametraka fiadiana Milofosa hatrany hitady Ilay fiainam-pifaliana Aza mandrarak'ilo mby an-doha Ka hilavo lefona avy hatrany Misikina herim-po Aleo mitraka foana ihany Fa ny fiainana mandalo Tsy hanindroa na hanintelo Tiavo hatramin'ny … Continuer à lire Hafatra
Mahantra hono hoe mahantra
Mahantra hono ianao ry Taniko Izany foana no ambarany Inona no teniny amiko? Handeha hono izy tsisy farany Mahantra ianao ry Tanindrazako Izany no famerimberiny Moa henoiny izay filazako? F'efa any Andafy ny eritreriny Mahantra hono ianao ry Dago Tsy misy antenaina intsony Izaho mihintsy ve no bado? Fa ny taniny aza afoiny Mahantra hono … Continuer à lire Mahantra hono hoe mahantra
« Kipipemty »
Isika malagasy aloha dia tena hafa mihintsy Raha hiteny ratsy dia tsy ankitsitsitsitsy Voatonona daholo ity zava-drehetra ity Ra- bory e, Ra-Lena e, ary "Kipipemty" Isika rehefa tezitra, dia manangam-bovona Tia miteny ratsy, sady tia manozona Ompa vary raraka, moa va tsy olon-dia? Tena mahasosotr'ahy ilay "Kipipemty" Misy kosa indray dia hafahafa tsotra izao Efa … Continuer à lire « Kipipemty »
Etsy ange
Etsy ange ianao, Ilazako vaovao Hitako androany Nihaona tany ho any Hono ireo mpifahavalo: "Mapar" sy "Ravalo". Taon-dasa tsy tsaroana Ireo fifamonoana Ady sy fifamaliana Hatramin'ny fianakaviana. Tadidinao reo teny Faheno ombieny ombieny: "Iretsy ireo foza Izay nahavanon-doza Nanongam-panjakana Namotika tanàna" "Iretsy zanak'Osy Ilay nanosihosy Sady vangavanga Mpanao ampihimamba". Izany rehetra izany No re teto … Continuer à lire Etsy ange
Zanahary miangatra
Misy miaina am-pahasambarana Mihinana izay nisasarana Fa misy ny entim-pahazarana Lasa mangataka eny an-dalana Misy miadana aok’izany Tsara sakafo tsara Akany Fa koa mihamitombo hatrany Ireo farahidiny eto an-tany Misy afa-mivavaka ampiangonana Sy mamonjy ireo lanonana Nefa misy ankohonana Mbola mitrongy aloha vao homana Misy mianjaika toy ny anjely Raitra tsy hita velively Jereo anefa … Continuer à lire Zanahary miangatra
Rahoviana
Rahoviana ny vahoaka vao hahita fiadanana Fa mangidy tafahoatra, efa ho isam-baravarana Mila tsy hahatraka intsony, trotraka sy mosarena Very mihintsy ve ny zony, tsy mba misy famonjena Rahoviana vao hiposaka, izany tara-pahazavana Ka fahasoavana no hirotsaka, mba hitondra fihatsarana Hanala ny hirifirim-piainany, tsy hahitam-panafody Mahalasa ny fisainany, vesaran-tsiny ve sa tody? Rahoviana ny maraina, … Continuer à lire Rahoviana
« JIRAMATY »
Dia maty indray ny jiro, tapaka ny rano Ny zaza mitomany tsisy farany ato an-trano Andreheto labozia re fa maizina izy izany Tsy hahita-mitsinjo hatrany an-tokontany Vizambizana e , torovana avy niasa Tonga ato an-tanàna, mailaka hisasa Kanjo kivikivy, io indray fa loza be Ritra anie ity rano, maina ny robinet Ny ankizy etsy andaniny … Continuer à lire « JIRAMATY »
Fesiboky fesiboky
A: Ity fesiboky ity ange ry zareo Miangavy mba avalona hatreo Tsy misy ilana azy io fa avelao Ny asa sy fianarana atao B: Mangina re ty vava akombony Ny toetra tsaranao koa tazomy Dia aza be sermona razoky F'izahay tena mirevy fesiboky A: Ka nareo anie toy ny adaladala Isan'andro eo foana fa tsy … Continuer à lire Fesiboky fesiboky
Olom-boafidy sa olom-boavidy ?
Io indray ireo depiote fa miteniteny foana Taitra tampoka eo tsy hay mihitsy hoe nahoana Tonga ny andro fivoriana eny an-dapa Tsimbazaza Dia indreo midongy 4x4 toa manao fisainan-jaza Io foana hatrany hatrany no ataony fidongiana Fa tsy ny hahasoa vahoaka no lazaina sy irina Fiara tsy mataho-dalana no ataony drindrangilo Rahoviana re nareo vao … Continuer à lire Olom-boafidy sa olom-boavidy ?









