Masisosiso ny olona miaina ao an-tranoManko tsy afa-mandro fa tapaka ny ranoFeno olona mamofona eny an-dalana enyMivoaboaka fofona ny elakelam-penyNy fofom-pofon-kelika tsy lazaina intsonyMainka koa miampy irony fofom-pako ironyMamofona Iarivo tanàna maminayAnkoatra ireo mpangetotra maimbomaimbo tay Dia zava-doza no hita an'elankelantrano anyF'Izay aleha rehetra mantsina amany Mifona re rey olona raha toa aho ka disoAleo hitady toerana … Continuer à lire Masisosiso
Auteur : rasamison
Miharitra
Te hiteny mafy aho nefa dia tsy sahyAngamba any ho any marobe ny toa ahyManko indraindray tena tafahoatra Mila hahakivy sy mampitehitroatraNy zavatra mitranga eto amin'ny firenena Saingy mahatsiaro kely hery moa ny tena Dia aleo mijerijery sy mitazatazana enyTe hitabataba fa tsy afaka mitenyMainka loza ny manjoMahita ny nanaovana ireo nafana foNisy ny nigadra na maty mihitsy … Continuer à lire Miharitra
Lehibe ialahy
Lehibe ialahy Efa tovolahysalama sy tomady Endrey, faly izahay mivady f'ialahy ilay zanakayno indro ankehitriny fa raisina ho mpandray Dia mitomboa fahendrena Inoako koa ialahy fa hahita fandresena amin'ny ady atao rehetra Hiavaka hatrany amin'ny fanahy sy toetra Ary indrindra koa ho feno fahalalàna Dia aza adino mihitsy leisy ny tanàna rehefa any aorianaka tojo sy tafita amin'ny tanjona irinaHo tabiha ialahy sy ho reharehanay Tsy … Continuer à lire Lehibe ialahy
Mahaiza miaina
Mahaiza miaina Tsy maintsy ho faty foana eTsy misy ho afa-mainaKoa andanio fotoanaIzay mampifaly saina Ny sakafo hano tsaraIzay tiana atao ataovyTetezo i GasikaraNy akanjo soa anaovy Toneo foana ny foDia mba mitsikia Miezaha manao ny soaMahaiza koa mitia Rasamy
Fisainana bontolo
Fisainana bontolo Mampalahelo ny vahoakafa lasa izy mitsoaka vao manomboka mipoakany baomba sy ny basyTsy te hiady intsony ve ireto malagasyZary manaiky sisaHany ka manjakazaka iretsy vitsy an'isaManana ny hery sy ny fahefana Toa mitovy avokoa izay mahazo fitondrana Samy mampanantena fa hampandroso firenena Mahay mikabary tsy mihambahambaKanefa dia vonona hanao ampihimambany fahefam-panjakana Manao izay tiany atao amin'ny didy sy lalàna Te … Continuer à lire Fisainana bontolo
Tsy tan-dalàna
Natao ho an'iza loatra ary moa ny lalàna? Manko mahavariana ny mitranga eto an-tanànaToa hafahafa foana ny didim-pitsaranaZary mitanila hatrany hatrany ilay mizànaSatria ireo mpangalatra akoho sy ganaganaAvy dia alefa any anaty figadrana Misy aza moa tsy meloka nefa dia tsy tana Fa ny varavaram-ponja no mivoha midanadana Kanefa etsy andaniny, matetika mazàna Misy tena misy ireo manam-pahefana Hita miharihary fa … Continuer à lire Tsy tan-dalàna
Toe-tsaina
Mahantra toe-tsainany olona variana mijanona sy miainaamin'ny zavatra efa lasaAry n'inona n'inona mety ho kinasadia ny tahotra indray no tonga mialohaTsy manam-pahasahiana, malemilemy lohaSady tsy mba vonona hianatra ihany koaMimenomenon-dava sy manaiky faharesena Lazainy fa devoly izay manan-karena Dia mialona ny namany mahita fandresena Toe-tsaina tsara kosany an'ireo tsy mialona, tsy tia mifosafosa Mifaly amin'izay azony omaly sy androany Miasa … Continuer à lire Toe-tsaina
Nanenina
Zendana aho rey olonafa misy ireo mpitolonatsy laitra noteneninafa nikiribiby sady be mareninatsy nety mba nanarina ery tamin'izanynidrikina mihitsy fa hoe iny ihanyno olona hanavotra an'i Madagasikara. Indrisy ankehitriny fa niova ny tantaraToa tsy fanatika intsony? Lotika tanteraka ny sainy sy ny fonyAiza ve leiretsy k'isan'andro injaoVavabe manenjika indray no henonaoFoana ilay fitiavana lehibe fahinyNivadika ho tsikera … Continuer à lire Nanenina
Gisitra
Ny tanora malagasy rehefa any ampitaToa tena hikoizana sady mahavitaMahagaga mihitsy fa kinga sy mahayTsy vao izao akory fa efa hatrizay Koa nahoana kosa eto MadagasikaraTakona tanteraka ny olona mba tsara Fa ory hava-manana, feno fialonana Nefa isan-kalahady mameno fiangonana F'inona mihitsy ary no mahazo antsikaNy fiainana eto angamba no mety mampivika Mihatsaravelatsihy aby na ambony na … Continuer à lire Gisitra
Mpamadika
Misy tena misy ary maro ny mpamadikaTsy mahamenatra azy akory ny mivadikaamin'ireo olona nahatoky azy.Ataony ho toy ny tsisy na koa vazivazy,ny fifanekena niarahana nanao,fa dia ivadihany fotsiny am'izao.Hainy tena hainy ny mandangolangoTalentany ihany koa ny manao rapadangoHenjana izy ireny f'aza voany ihanyMandraingiraingy mihitsy, mila hitomany Misy tsy miahotra mamadika ny namanyRehefa injay mitady hisongona … Continuer à lire Mpamadika









