Taitra tampoka aho nahita izato bika sy tarehy Kanjo hay tsy natoraly fa dia zary mampihomehy "Faosika" ny volomasony, lokomena be ny molony "Faosika" ny hohon-tanany sy izato lokom-bolony Dia lasalasa teo ny saiko, vehivavy tsy mahalala onony? Asa angamba hatrany anatiny, "faosika" va re ny nonony? Dia sanatria va re ka "faosika" ihany koa 'ty … Continuer à lire Vehivavy « faosika »
Catégorie : Fiaraha-monina
Tera-bitro
Nareo efa mahantra, tsy maha-te hiantra satria tsy hay tenenina, fa manao bemarenina. Efa lazaina foana, mila ho mandavantaona, hoe aok’izay ilay zaza, fa tena tsy sahaza. Dia indreo mikiry hatrany, manao zaza ihany, lasa tera-bitro, tsy mitsinjo ny ampitso. Miteratera-poana, efa ho isan-taona, nefa ny eo tsy vanon-ko olona, tsy mety mamololona. 'Nareo tokony … Continuer à lire Tera-bitro
Mba saino ihany leisy
Tandremo tsara leitsy fa ny mpametsifetsy mpangalatra sy mpanambaka dia tsy mba hiorim-paka ao aminy tsy akory ny harena izay voavory fa mandalo ihany ka any aoriana any dia mbola hitomany Mbola ho latsa-nenina satria izay nafenina tsy maintsy mbola hipoitra ary mainka koa hivoitra ka hiseho hivandravandra toy ny vay fa tsy mba tandra miseho … Continuer à lire Mba saino ihany leisy
Namana
Misy ny namana mody mba namana rehefa ao anatin'ny fahasahiranana fa vao nahita izay azo ihoriranana dia iny nilefa tsy hay nosakanana Misy tsy namana fa lasa namana ny fesiboky no mba ikambanana ka na tsy misy fifandraisan-tanana ifampizarana izay hevitra hananana Misy koa namana lasa tsy namana satria nanary tsikalam-pihavanana fa tsikalam-bola no lohalaharana dia indro nisaraka … Continuer à lire Namana
Mino tsotra izao
Avela hanakora izay te hanakora Fa hoe tsisy hono Ilay Andriamanitra Tsy mila porofo fa valiana mora F'isika dia mino Ilay Ray any an-danitra Avela haneso izay te haneso F'isika mijoro amin'ny finoana hatrany Ka ny fiderana tohizo, venteso Mba hanakoako any rehetra any Avela hanaraby izay te hanaraby F'isika tsy menatra miantso ny Ray … Continuer à lire Mino tsotra izao
Adalan-drongony
Io andrakandrana io no nahalasa adala Tsy andro mahamay, tsy hatsiaka mamanala Fa isan’andro izao, mitady, tsy hamelàny Lasa miankin-doha hatrany anaty ràny Rehefa mahazo kely dia tena tia midaroka Rehefa tsisy indray, toy ny akoho voakapoka Ny kibo mosarena, tsy ampy ny hohanina Ny vatana malemy, ny loha fanimpanina Maso menamena, hozatra miridiridy Avy … Continuer à lire Adalan-drongony
Anaka
Lasa lavitra ny saiko, mandinika ny zava-misy Mararirary koa ny aiko, nahoana loatra re indrisy No be ny zava-dratsy mihanaka, amin'izao andro izao Manahy mafy mihitsy aho anaka, ny amin'izato ho avinao Raha noheverina fahiny, fa ny fanahy no mahaolona Efa niova ankehitriny, lasa adin-tsaiko mitambolona Feno haratsian-toetra, n'aiza n'aiza tsy ankanavaka Izay hita sy … Continuer à lire Anaka
Hiran’adala
Raha toa lahy ny hira ka hira mivilana Feony sy tonony tsisy mangirana Aleo re tsy misy fa toa kitoatoa Mampihivingivina mihitsy ny loha Raha toa koa ilay hira ka mivalambalana Madilo ny sofina mihaino eny an-dalana Tsy mandrotsirotsy raha eny ampandriana Tsy aleo ve avela fa tsy be kiriana Tsy ilaina ny hira raha … Continuer à lire Hiran’adala
Fotoan-gasy
Mahazatra antsika loatra ilay tara fahatongavana N'aiza n'aiza no hifamory, resak'asa, vangy havana Malagasy tara lava, efa zatra moramora Ilay mandamina tsy taitra, toy ny tsy mahalala ora Rehefa hamonjy ilay fotoana, na maraina na hariva Tsy dia miraika firy, tsy miainga raha tsy efa hadiva Toy ny hoe tsy nisy akory ilay ora izay … Continuer à lire Fotoan-gasy
Mikolokolo fahantrana
Malagasy marobe no lazaina foana fa sahirana Fa misy malagasy koa mba nahita ny mangirana Fa mba aoka kosa re ilay fihatsaram-belatsihy Mody mba misentosento mitsetra ireto « quatmis » Ny olombelona rehetra dia samy manana ny anjarany Tsy voatery hitovy koa fa samy miaina ny tantarany Misy ireo izay niady mafy vao tafita amin’ny … Continuer à lire Mikolokolo fahantrana









