Catégorie : Fiaraha-monina

Ny vola

Ny vola

Ny vola hono maharangahy nefa koa fakam-panahy. Sady fototry ny haratsiana no loharanom-pifaliana. Ny vola hono tsy hangidy fa ianao no misafidy. Na ianao ho andevony ka ho potika sy levony. Na ianao no hotompoiny tsy ho andevoziny intsony. Mba amboary re ny saina dia mba mahaiza koa miaina. Fa tsy vola vola foana no … Continuer à lire Ny vola →

Maimbo helika

Maimbo helika

Malaza indray izao fa tao Tsimbazaza tao hono nisy maimbo helika nefa pelipelika tsy azo notenenina fa nanao be marenina. Nibosesika ihany ka namofona aok’izany tao an-dapa tsara be fivorian’ny depiote. Dia niakatra ny feo Mivoaha aloha nareo Roak’aliaka tsy ankitsitsy Tsy natao ho an’olombitsy fa mpanao gazety maromaro izay tsy tiany hifangaro. Satria lazainy … Continuer à lire Maimbo helika →

Soa fa nisy vehivavy

Soa fa nisy vehivavy

He tsapa ery mazàna fa misy fahabangana ny ao an-tokantrano ao raha toa ny vehivavy ka sendra mba mandao. Na andro vitsy monja tsy maharitra akory dia io ralehilahy fa tsy mahita tory. Indrindra sanatria hoe lasa nodimandry ilay vady andefimandry dia maro ireo lehilahy no osa vetivety toa antitra malaky fa tsy mba metimety. … Continuer à lire Soa fa nisy vehivavy →

Ny azy sy ny antsika

Ny azy sy ny antsika

Ny azy ny herinaratra efa ny herin’ny masoandro Ny antsika mbola solika no miakatra isan’andro Ny azy politika no mitondra fandrosoana Ny antsika fanonganana no tena imasoana Ny azy ny tanàna madio sy tsara voatra Ny antsika zaoridira no mila hampitroatra Ny azy efa ho paradisa izay jeren’ny maso Ny antsika izay mijoro indray no … Continuer à lire Ny azy sy ny antsika →

Voretra

Voretra

Mba mahagaga loatra fa voretra tsy mivoatra ny ankamaroan'ny malagasy. Fa manipy taratasy vao nafono mofo gasy eny an-tokontany sy eny an-dalana eny. Tsy mahafehy tena sady tsy mifampiteny na mba mifananatranatra. Ka na ireo heverina fa olona nianatra na koa hita izao fa mba manan-katao dia toy ny tsisy saina fa adala tsotra izao. … Continuer à lire Voretra →

Tsy lahatra ny fahantrana

Tsy lahatra ny fahantrana

Tsaroako ery fahiny fa iny namako iny dia nahantra sy kamboty tsy mba afaka niangoty satria nilaozan-dray sy reny mbola zaza tsy niteny. Niharitra sy nihafy kanefa niady mafy nihoitra tamin'ny fiainana. Tsy mba feno fitarainana fa na oviana na oviana dia nahay nampangina ho azy samirery, tao am-pony tao izay mety ho alahelony. Tsy … Continuer à lire Tsy lahatra ny fahantrana →

Aza hitako any izany

Aza hitako any izany

Lafo vidy izao ny vary ka mila ho mosary ny ankamaroan'ny vahoaka satria ny iray kapoaka dia efa ho arivo ariary. Halatra miharihary ataon'ireo izay tsy manjary, sa vokatry ny fitavozavozàna ataon'ireto fanjakana? Sambany hono izany raha zohina ny tantara teto Madagasikara Mampanontany tena ny zavatra miseho satria vao vetivety teo dia niakatra ihany koa … Continuer à lire Aza hitako any izany →

Nahoana loatra?

Nahoana loatra?

Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fiainana eto ity no mila hampitroatra Ny zaza sy zatovo mbola anaty hatanorana Lasa nodimandry, tsy nisy fierana Nandao ny tokantrano nihevitra hifaly Kinanjo tampoka eo, maty sy mijaly Indreo nidiran-doza, lavo tsy tafarina Andriamanitra ô, ambarao ny marina Tsy misy afa-miala fa lasana daholo Na zaza vao … Continuer à lire Nahoana loatra? →

Hay sarimbavy

Hay sarimbavy

Indray andro izay nisy lehilahy iray sendra nifanena tamin'ny tovovavy teny an-tsena. Dia io fa nampiresaka  sy mody nampihomehy Salama ianao ry tovovavy feno hatsaran-tarehy Tena kanto loatra Sady tsara voatra Tsisy azo kianina ny vatana sy bika Asa re raha mba afaka hiaraka ihany isika? Izaho aloha tsy tsara kanefa tena tara e Tsisy … Continuer à lire Hay sarimbavy →

Mitaraina ny tany

Mitaraina ny tany

Mitaraina re ny tany fa toa tsisy fiafarany izato kiaka sy tomanin' ireo very tanindrazana. Satria dia nogiazan' ireo mpangalatra daholo izay tany maitso volo, eny hatrany ambanivolo. Mody odiany tsy hita akory ireo vahoaka nanajary fa na tanety, tanimboly, taninkazo, tanimbary dia ampiasainy ny hafetseny ka bodoiny sy fefeny. Eny alainy  ankitsirano. Azerany aza … Continuer à lire Mitaraina ny tany →