Catégorie : Fiaraha-monina

Mba mandihiza

Mba mandihiza

Mba mandihizaRehefa anaty fetydia ataovy izay mba mety eManko mahafaly indrindra ny mpanasaMahita anao mitsangana tsy mihafahafaMandihy mitotorebika manaraka mozikaMiatomboka amin'ny dihy mahazatra antsika Tsy inona izany fa ny afindrafindraoDihy hahafantarana ny mahagasy anaoMitohy amin'ny dihy iarahana manaoTarihin'ny mpanentana avy eny aloha Hahetsika daholo ny vatana sy lohaNy  dihim-pitombenana tsy adino ihany koaTsy ankijerijery, tsy ankisalasalasaIzay mahatsiaro … Continuer à lire Mba mandihiza

Mianara

Mianara

Raha nahantra ianao vao terakaSendra ray sy reny rerakaNefa kosa na izanyMba mandia sekoly ihany Dia ifikiro ny fianarana F'io ihany re no lalanaHanovozam-pahalalàna Tsy ho andevom-pahantrana Ianao no hanova ny tantara Koa mianara re mianara Rasamy

Fetiko

Fetiko

Fetiko androany Faly aho arak'izanyEny e, toy izany foana Rehefa tsingerin-taonaZara aza velon'ainaRavo ery ny sainaManko ho avy ny oraHo faty moramoraToy ny olona rehetra Satria dia manam-petra Ny fiainana eto an-tanyTsisy ho doria izanyKoa anio aloha mifaly Rahateo aho tsy mijaly Dia misaotra mialohaMankasitraka eram-poAmin'ny firarian-tsoa Rasamy

Mihatsaravelatsihy

Mihatsaravelatsihy

Ny hevitra rey olona mety tsy mitovyNefa dia tsarovy fa na zovy ianao na zovyno tsy mitovy hevitra amiko,dia ny hevitrao fotsiny anie no tsy lanikoNy tenanao kosa tsy ataoko ho fahavaloSanatria izany, isika tsy dahaloka handeha hifamono na koa hifandratraSamy manohana ny heviny arak'izay tratraNefa mifanaja sy mahay mifankatiaTsy izany no atao hoe mihatsaravelatsihy … Continuer à lire Mihatsaravelatsihy

Modimody

Modimody

Jereo tsara namanafa misy anie olona mody hoe tsy mananaNa ny paoziny aza tsy dia manaitra loatraModimody fanina toy ny tsy mivoatraNefa ry zareo any amin'ny banky anyManam-bola be tsy misy toy izanyTsy misehoseho nefa be harena Mody tsy miteny sy manetrinetritena Fa any ho any koa, tsarovy re ry akamaMisy olombelona mahay fahagaganaTsy be vola … Continuer à lire Modimody

Traikefa

Traikefa

Mijaly ireo tanora mba mitady asafa tsy raisin'ny mpampiasa. Manko hono ireny mbola tsy ampy traikefaHainy tsara anefa,fa ny olona rehetra dia mandalo an'izany Angamba tsisy mihitsy teto ambony tanyolona ka ampy traikefa avy hatrany, fa mianatr'asa alohaMiezaka mihatsara, miasa amin'ny foMivoatra miandalana lasa mihamahay Manao hadisoana dia mitsangana indray Avy eo vao ampy traikefa amin'izay Koa aoka … Continuer à lire Traikefa

Tsara

Tsara

Endrey tsara ery ny miainaraha hay ny mampitony saina,mifaly amin'ny eo an-tanana,sy mampitombo ny fananana Fa tsara koa ny fahafatesana,tsy misy intsony ny imatesana,sy hazakazaka hatrizayEny, mandry fehizay Ny anelanelan'izy roano ratsy mahavaky fo,fa alahelo sy tomany, ny fisarahana an-tany  Rasamy

Pasitera

Pasitera

Ianao vao mitsikera an-drizareo pasitera dia lazainy fa devolytafiditra an-tempoly. Tsia tompoko ô, tsy voatery ho izanyfa samy olombelona misaina izao ihany Ilaina koa ny mihaino izay ambaran'ny mpivavaka Na mety ho diso aza dia izay no tokony hampiavakany mpitondra fiangonana Tsy voatery ho resaka fialonanaraha miteny ny olona hoe nahoana mihitsy moai pasitera izay irak'i Jesoano tsy maintsy ividianana … Continuer à lire Pasitera

Hafa indrindra

Hafa indrindra

Ny olona malemy ara-po sy sainadia tia mamaly faty  izay manirikiry azy Mety mahavita mamono hatramin'ny ainaAvy eo vao latsa-nenina mijaly sy voasazy Tsy toy izany kosa ny olona raha mafyMahazaka lagy sy mitsinjo ny ampitsoNa aza malahelo ny fony dia mihafyVonona hamela ny heloky ny diso Fa mbola hafa indrindra ny manan-tsaina ambonyTsy ahoany akory … Continuer à lire Hafa indrindra

Ialao

Ialao

Misy karazan'olona tena tia mitenyNa any an-trano izany na eny an-dalana enyNa eny an-tokontany na ao an-dalantsaraAnatin'ny birao na any anaty fiaraN'aiza n'aiza aleha dia tia misoka-bavaFady ny mangina fa mitabataba lavaToa miteny foana fa tsy mangina mihitsyMahita ho lazaina tsy mitsitsitsitsyTsy mba mihaino ny hafa amin'ny fanazavanaIo vavany io mipentsopentsona mazànaSady mpifosafosa ny mpiray … Continuer à lire Ialao