Dada ô, fetin'ny Ray androanyArahabaina indrindra izany Dadako izanyIriko tena Iriko ianao mba ho salamaHo samy ela velona anie ianao sy MamaMbola hifankatia sy hiaraka eny foanaKa na manao ahoana ny fandehan'ny fotoanaDia reharehanayHoe iny dadanayIny ilay nitaiza sy nikolokoloVizana tokoa efa fotsy voloTsy nikeky aina tamin'ny asa fivelomanaNahavita adidy tamin'ny ankohonana Tsapanay ankizy ny … Continuer à lire Dada tsotra
Catégorie : Fiaraha-monina
Ny eto an-tanàna
Ny eto an-tanàna leisy tena hafa mihitsy Ialahy raha vao miteny tsy mitsitsitsitsyFa mananatranatra tanora mba ho hendry Dia tsy ampahafiriny hono fa mianakendry Eto an-tanàna ialahy raha toa manan-kataoDia misy mialonalona fotsiny amin'izaoLazainy fa mpangalatra, tsy manao ny marina Ny haren'ialahy indray no tiany angalarina F'eto an-tanàna koa raha toa ialahy mahantraDia aza manantena hisy olona hihantraMainka ialahy … Continuer à lire Ny eto an-tanàna
Loza
Malaza tato atoheno tsy ankiatoilay resaka rongony Toa tsy voafehy intsony fa miparitaka tokoaraha ny feo heno etsy sy eroaTsy kely tsy lehibe raha ny hita sy ny re Ary tena efa malaza fa na ny mpianatra azadia betsaka no voa Iza loatra re no tena ati-doha? Mibizina mivarotra sady mamosavy Tsy mifidifidy fa miandahy miambavy Tandremo ry tanora Tsarovy fa tsy morany vokatra … Continuer à lire Loza
Tonokalon-dRado
Isaky ny valabalaka, iny harivariva iny,Eo akaikiko tsy lavitra iny bokiny inyTononkalo tsara rindra, mifono hevi-dalinaVakiako tsy miato rehefa injao mamantonalina Maro ireo mpihantsa, mpiventy toa azy Misy tena kanto, ao ny vazivazyFa hafa ihany hoy aho, fatratra mambaboTiako tena tiako ny tonokalon-dRado Rasamy
Pasipaoro
Eto Madagasikara dia mijaly ilay vahoakaKanefa raha mahita lalana hivoakaDia loza no manjoTsy moramora koaFa na ny pasipaoro aza sarotra alaina Mahavalalanina sy mahalasa saina Voaozona ary ve isika malagasy Aiza k'isaky ny mikarakara taratasy Dia mipenipenina mila hitomanyNefa anie rey olona ka n'aiza eran-tanyTsy olana mihitsy izany pasipaoro izany eTsy akory ilay izy hoe maimaim-poana Fa vola be miala … Continuer à lire Pasipaoro
Vola sy fahalalàna
Raha toa ka be ny vola fa tsisy fahalalànaMety mora lavon'ny karazam-pilibànaRaha tsy voafehy aza matetika mazàna Lasa mivarilavo sy ratsy fiafarana Raha toa ka tsisy vola sady tsisy fahalalàna Dia mazava hoazy fa tena fahantrana Mijaly anaty olana sarotra vahanaSady ambanian'ny mpiray tanàna Raha toa ka tsisy vola fa be ny fahalalànaMety ihomehezan'ny sinoa sy ny karanaLasa … Continuer à lire Vola sy fahalalàna
Soso-po
Avoay re ny volanyIsan-taona izao dia izany foana ny olanyMampitolagaga ny olona mijeryF'inona mihitsy ary izato misiteryIo vola io ve tsy efa vonona ao foana eKanefa dia lalaovina tsy hay hoe nahoanaSa mbola mihodikodina mandalo lalan-kafaMampijaly mpianatra, atao mijafajafaDia lasa migrevy manao filaharanaMitaky fandoavana vatsim-pianaranaNy kibo noana lava satria tsisy vatsyNy trano ipetrahana kely sady ratsySady efitra … Continuer à lire Soso-po
Andron’ny vehivavy
Ny andron'ny vehivavyry izy mianakavy, raha atao mahitsy, dia tsy fety izany mihitsy. Fa andro fahatsiarovana fitakian-jonataon'ny vehivavy efa tany alohaNitolona niady nanao fitakiana, hisian'ny miralenta, na ny fitovianaIty andro ity izany dia enti-mampahatsiaroNy zon'ny vehivavy amy lafin-java-maroKoa fanontaniana izao no mby an-dohaEfa tena feno ve ilay fitovian-jo? Ka fety ve no ilaina? Sa fanentanana mba samy ho tonga sainaFa … Continuer à lire Andron’ny vehivavy
Mitsoaka any andafy
Maniry ny handositra daholo ny ankizyMitsoaka any andafy noho ny krizyManko fahantrana no hita eto amin'ny taninyK'any no heveriny fa mety misy maminy Ireo izay efa lasa moa tsy te hody intsonyNa malahelo aza ny sainy sy ny fonyTsy afaka manoatra noho ny zava-misyRatsy loatra mantsy ny fiainana eto indrisy Maro ireo mipetraka tsy misy … Continuer à lire Mitsoaka any andafy
Mpangalatra
Rehefa ilay mpanao hala-botry no mba tratradia fomba amam-panao efa zary mahazatra, ilay fitsaram-bahoaka. Tsisy hoe tafondro na basy koa mipoakafa daroka sy vono tsisy alaharoMamely ao daholo na vitsy koa na maroMiala hatramin'ny ainaTsy misy na iray aza mba tonga saina,fa iny olona iny raha naka ny tsy azy,dia mendrika ho faizina sy omena sazySaingy sazy … Continuer à lire Mpangalatra









