Catégorie : Fiaraha-monina

Namela mamy

Namela mamy

Eny lavo ny andrarezina, tena tohina ny foIlay andry niankinana, sady zoky lahimatoaIlay vady tena tia, tsy nahafoy ireto zanany Ilay fihatahatan-dreny, tia mizara ny eny an-tanany Lehilahy fohifofy sy somary botabotaOlon-tsotra be fitiavana lavitry ny sotasotaLehilahy tia nanampy sy nanavotra ny havanyTsikitsiky lalandava no fahita amin'ny tavany Tena tia mivazivazy sady tia mivazovazoMpampitraka ihany koa … Continuer à lire Namela mamy

Tokana ny aina

Tokana ny aina

Toa tsy hitahita akorydia tsy olona matoryno hitanao fa matyMaty tena matytampotampoka eonefa anie ka olona salama izy anikeoTsy ampoizina mihitsyfa tena tsy mitsitsyilay Corona mamono Tsy anganoangano na mbola honohono Dia lasa teo ny saikoMety ho faty koa ny aikoHo avy koa ny anjarakoHo vita ny tantarakoTsisy fampiomananana fifandraisan-tananafa poa toy izaydia ho mandrakizay Alevina androanyIreo … Continuer à lire Tokana ny aina

Vonjeo ny malagasy

Vonjeo ny malagasy

Ray ô, alahelo sy tomany no mandrakotra ny tanyMihorohoro ny vahoakaBe ireo tsy tafavoaka maty tampoka indrisyHenjana ny zava-misy Tsy hita intsony izay ataofa mamono tsotra izaoity aretina ityVonjeo ry Rainay be fitia Mangataka izahay ry Ray Omeo mpitondra mba mahay olon-kendry azo anarinasady tia manao ny marina Ny vahoakanao jereoMitalaho sy mitoreoNy tolokony henoyIreo marary mba tsaboyAza avela hangasihasy  Vonjeo … Continuer à lire Vonjeo ny malagasy

Mandripaka

Mandripaka

Mafy tena mafy ny manjo ny vahoakaTsy horohoron-tany tsy basy koa mipoakaNefa tena maro no lavo sy mijaly Hipoka avokoa izao ny hopitaly Aretina mandoza mandripaka aok'izanyNa kely na lehibe tsy misy hamelanyTokantrano maro no donam-pahorianaMaloka tanteraka namoy havan-tiana Mainka vaky fo sy mitombo ny tomanySatria tsy ankiandry fa ny androtr'iny ihanyDia tsy maintsy alevina … Continuer à lire Mandripaka

Misy fetra

Misy fetra

Misy fetra lahy izany fahefana izanyNy vola aman-karena koa tsarovy mety lanyTsy hisy ny doria fa mandalo fotsiny ihany Izay ny lalàm-piainana raha mbola eto an-tany Koa ny fizahozahoana sy fireharehanaJadona sy herisetra, fanamparam-pahefanaMba asio fetrany ihany sao dia lasa hadalana Hanenenana any aoriana ka ho ratsy fiafarana Firifiry moa ireo nihevi-tena ho nanan-keryNanampatra ny heriny ka … Continuer à lire Misy fetra

Antoko mpihira

Antoko mpihira

Mampatsiaro ahy ny hiranay fahinyNy maheno ny hiran'ny tanora ankehitrinyTsy hira hafa akory fa hira fideranaAnisan’ny nameno ny fahatanoranaHirahiram-bavaka misy SolfaMandeha ny DO RE MI, miampy FA SO LAHiram-pivavahana tsara sady kantoAnaty feo maredona sy milantolanto Endrey izany hafaliana rehefa alahadyTsy mandany andro variana mibalady Fa mifoha maraina mamonjy fivavahana Mitohy ny hariva indray avy eo ny … Continuer à lire Antoko mpihira

Poakaty

Poakaty

Tsy mahagaga intsony ny mpanao politikaMahay raha hikabary fa ts'hita 'zay mba vitaMampanantena foana no hany seraserany Izany no heveriny hifikirany amin'ny toerany Tetikasa maro no ambarany hataoTsy miova ny kabary fa isan'andro izaoDia maro ny asa goavana lazainy hovitainaFa firy re no vita tamin'ireo izay nokasaina? Nofinofy maro no lazainy hotanterahinaNy vahoaka heveriny ho … Continuer à lire Poakaty

Vavako mangina

Vavako mangina

Ny ahy ny Noely Dia tiako ho hafa kely Vavaka ao am-po Amin'Ilay Tsitoha Misaotra Azy manginaNoho ny fahasoavana sy ny fitahianaIzaho tsy voatery ho any am-piangonana Na hamonjy fety an-trano filanonanaFa toerana milamina sy mampitony sainaSady tsara rivotra makamaka ainaFeom-boronkely no henoko maraina Eto an-davarangana aho no misaotra Anao ry RayNoho ny fitahiana nomenao … Continuer à lire Vavako mangina

Ny fahazazanay

Ny fahazazanay

Taloha zahay rankizy rehefa milalaoTena hafa mihitsy tsy toy ny amin’izaoNiaraka daholo ny ankizy iray tanànaMafana dia mafana aok’izany ny korana Faly ny rehetra tsisy nihambahambaMiaraka manao ilay raosy jambaTao koa ny vitsilia sy fanaovana zoeraKilalao tsy adino ny polisy sy volera Ny baolina amin’izany teny an-tanimbary Tsisy ny finday mba hoe nakana sary Tsy … Continuer à lire Ny fahazazanay

Fitsaram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka

Tokantrano maro no potika sy ravaNoho ireto olona tia misavasavaMiditra amy zavatra tsy tokony idirana Fiainan'olona any no ataony manahirana Tsy ny azy no atrehany amboarina ho tsara Fa maika ny hanenjika sy hitsaratsaraNefa izay lazainy tsy voatery ho marinaIzay tena zava-misy tsy ezahiny fantarina Misy ireo sendra tranga eny an-dalana Makamaka sary tsy nahazoana alalana Dia mailaka … Continuer à lire Fitsaram-bahoaka