Ray ô, tsy haiko ny hangina, tsy hisaotra ny anaranao Nahatsiaro ho notahiana, ka tratr'izao anio izao Amin'ny foko manontolo, misaotra Anao ry Tompon'aina Fa feno dimy amby efapolo, izato taona raha isaina Be ny sakana nodiavina, teny an-dalana nombàna Maro koa fa tsy azo lavina, izany ditra sy hadalàna Nefa ianao ry Ray Tsitoha, … Continuer à lire Ray ô, misaotra
Catégorie : Fitiavana
Soa fa teo i Neny
Soa fa teo i Neny, ilay nampianatra niteny, sy nitondra am-bohoka, nandady sy niankohoka, nivavaka ho an-janany, sy ny ho avin'ny taranany. Tsy mahalala vizana, fa feno fikirizana. Ka na ora fahafiry koa, na ora fahafiry, na andro mahamay na hatsiaka hamirifiry, dia tsy manaiky kivy fa mitsangana mikiry. Raha iny misy fanaviana, na anaty faharariana, … Continuer à lire Soa fa teo i Neny
Tiako ianao satria
Fandrentsika ombieny ilay hoe tiako fotsiny ihany Tsy misy hoe nahoana, tsy asiana hoe satria Ny ahy kosa re dia tsy mba toy izany Fa tena marobe ny anton'ilay fitia Tiako ianao mitsiky, mizara hafaliana Tiako koa rehefa injay mba malahelohelo Mahay mampahery raha sendra hakiviana Na misy zava-tsarotra toa manelohelo Tiako ilay ianao mavitribitrika … Continuer à lire Tiako ianao satria
Tantara tsisy tohiny
Tiany hono aho ka tiany, tsy ariny intsony Tsy hay sakanana hono ny fitempotempom-pony Mbola misy hono ve tsirim-panatenana Tsy mampaninona azy ny hiaina anaty fahotana Mijaly loatra hono izy f'efa ela naniriana Izato sainy mantsy, tsy mino hoe tsy tiana Hisisika hibosesika, handeha hikiribiby Atosiky ny fony ka tsy manana safidy Isan-kalina izy, milaza … Continuer à lire Tantara tsisy tohiny
Tiako ny teniko
Tiako ny taniko ary tiako ny teniko Nahaizako niantso an'i Dada sy Neny Tandroviko mafy ilay tenin-dreniko Ampianariko an-janako miana-miteny Ny teny ampiasaiko dia ny tenin-drazako Amin'ny fiainako andavanandro Satria io no teny voafehin'ny vavako Moa sitrak'ireo nahitako masoandro Ianarako anefa ny teny vahiny Satriko mihitsy aza hahay teny maro Fa halako kosa re aza … Continuer à lire Tiako ny teniko
Vady tsara
He tretrika aho ry tiako, fa manana anao Lasa ankamamiako, izao rehetra izao Toa ireo voninkazo, maniry anjaridaina Na misy izay malazo, mamelombelon'aina Ianao maneho fitiavana, dia adino ny tolokoko Lasa maitso mavana daholo ny tontoloko Ny endrikao sariaka, no sady miramirana Manova ho botsiaka, ny zava-manahirana Izato bikanao, tsotsotra nefa soa Tsy afak'antsaiko ao, … Continuer à lire Vady tsara
Ny zanako
Ny vady sy ny iray tampo Ray sy Reny tiako koa Tsy adino koa ny namako Fa hafa foana ireto zanako Tsy hitsitsiako izay harena Sady hahafoizan-tena Andaniako ny fananako Rehefa mahasoa anjanako Toy ny olona rehetra Izaho koa mba misy toetra Fa n'inona n'inona koa ditrako Zanako tsy apitrapitrako Na ny fo amam-panahy Sy … Continuer à lire Ny zanako
Inay hono aho mba vorona
Inay hono aho re mba vorona Nikopa-kelatra ho any aminao Ny aiko aza vitako sorona Mba hialan’izao gadrako izao Ny foko mitempo mankany Tsy laitra ampanginina intsony Asa ianao re izao any ho any Raha mahita irony kintana irony Indrisy izato ianao re ry aiko Mihenahena tsy mety mamaly Very hevitra mafy ny saiko Torovana … Continuer à lire Inay hono aho mba vorona
Etsy matoria
Etsy anie ianao, izany malalako izany Fafao ny ranomaso, aza mitomany Ny olona avelao, hamoaka ny ao am-pony F'isika aleo hangina, tsy hiloa-bava intsony Ny eritrerintsika, madio tsy misy pentina Ny tokantranontsika, salama tsisy aretina Ny vinavinantsika, mazava toa masoandro Ny asa ataontsika dia marina isan’andro Koa aleo izy hiteny, handrabiraby antsika Ny antsika ny … Continuer à lire Etsy matoria
Tsiaro an’i Papa
He satry hiaraka eny foana, hiara-monina eto an-tany Ny fandaharan’Andriamanitra anefa, dia tsy mba toy izany Fa na kely na lehibe, lasa foana rehefa antsoiny Na matanjaka na osa, tsy maintsy hitsahatra ny fony Anjaranao tokoa no lasa ry Papanay, ry Dadabe Ilay andry niankinana, ilay tabia sy rehareha Loharano nipoirana, lohan’ny fianakaviana No indro … Continuer à lire Tsiaro an’i Papa








