Misy etsy andaniny tovolahy bogosy Saingy dia indrisy fa foana izato paosy Dia iny fa mikaroka lalana ivoahanaMitady ramatoa manam-bola iarahana Dia misy ramatoa ihany koa etsy ankilany Mila tovolahy, tiany mba ho silanyLehilahy tanora, bogosy sy matanjaka Tiany tena tiany ny mijery azy mitanjaka Dia mifanojo teo ny ankilany sy andaninyIlay tovolahy moa mihinana izay laninyRavehivavy kosa zary miramiran-tavaTsy … Continuer à lire Mama saosy
Catégorie : Mampihomehy
Aro vava orona
Mamely tsy mitsitsy re izato coronaTsy misy afa-bela fa na vavy na ny lahydia tsy maintsy miaro tenaKa raha ho any an-tsenaNa mamonjy fivoriana Na mandeha miangona mangatam-pitahianaNa any anaty fiara sy eny an-dalana azaTsy maintsy isalorana izao ny saron-tavaTsy vitan'ny misalotra ilay aro vava sy orona Fa sady koa matahotra hitangorongorona Vita hatreo ny molotra feno lokomenaIlay tarehy … Continuer à lire Aro vava orona
Kabone
Fantatrao va re ilay tranokely iray Efa fanta-daza mihitsy aza izy izay.Mahay azy daholo ny vahoaka manontolo n'aiza n'aiza izany raha mbola eto an-tany.Ao tsy maintsy handehanana,ny taratasy an-tanana,rehefa injay fa tonga ilay tokony atao.Na ny mpanjaka aza tsy maintsy miditra ao Sady fangerena izy no toerana fisainana Tranokely tsotra fa ilaina amin'ny fiainana Soa … Continuer à lire Kabone
Masazy
Misy ny masazy manala havizanana Orina daholo ny tongotra aman-tanana Ny kibo sy lamosina, valahana ihany koa Hatrany am-paladiha ka hatrany an-tampon-doha Fa misy koa hono masazy hafakely Masazy izay ataon'ny tovovavy manjakely Tsy manala vizana fa safosafon-tanana? Masazy sandosandoka misy "famaranana" Rasamy
Hay mpifankatia
Tao an-dakilasy no niseho ny tantara Ramose variana ka tsy nahalala tsara Fa ireto tovovavy sy ireto tovolahy Hay mpifankatia fa tsy akory mpianadahy Bonaika be zareo rehefa ao am-pianarana Tsisy ny fihetsika mba nahafantarana Fa ranona sy ranona anie ka ohatr’izao Taraiky Ramose fa tsy naharaka vaovao Mody menamenatra tsy tia misehoseho Kanjo hitan-dRamose … Continuer à lire Hay mpifankatia
Velirano adaladalako
Hilatsaka ho fidiana aho ry vahoaka malagasy Ka velirano folo no ataoko an-taratasy Ny fitiavana manosika ny foko sy ny saiko Tsy maintsy tanterahiko foana izay lazaiko Inona hoy ianao ny velirano voalohany ? Ho rambony isika fa tsy natao ho lohany Arosoko indray ny velirano faharoa Ny akamako no tena hahazo tombontsoa Dia tohizantsika … Continuer à lire Velirano adaladalako
Gasy tia milahatra
Isika malagasy dia efa tena maritiora Aiza ve ka dia milahatra mandoa fakitiora N'aiza n'aiza dia milahatra fa tsisy afa-miala Na biraom-panjakana na banky hakana drala Vao tonga ny maraina hamonjy ny fianarana Ny bus aloha voalohany tsy maintsy ilaharana Mainka koa io loza rehefa himpody an-trano Avy eo mbola ilaharana ny fatsakana rano Efa … Continuer à lire Gasy tia milahatra
Tsy ampy lahy?
Misy vehivavy dia marikivy lava Tsisy andro iray mba miramiran-tava Kizitizitim-poana sy mora misafoaka Tsy mahatehotia fa zary mampitsoaka Romodromotra eny amin'ny antony tsy hay Na andro mangatsiaka na andro mahamay Vinibinitr'endrika toa tsy afa-tsorisory Toy ny vizan-dava tsy mba mahita tory Moa toetra noforonina va re sa natoraly ? Na aza manam-bola fa tsy … Continuer à lire Tsy ampy lahy?
Sipako taloha
Hitako androany, tany an-tsena tany, ilay sipako taloha. Asa re izy iny na ilay fahafiry moa? Maro ihany mantsy ka tsy tsaroako intsony Loza mihitsy moa isika lehilahy itony Tadidy tsara kosa aloha anefa tamin’izany f’izy mpihantahanta sy mpitomanimany. Mody tsy mahatanty ny sangy izay fanaoko Tsy namelako moa, fa mainka koa nataoko. Toetrany ankiray mba nampiavaka … Continuer à lire Sipako taloha
Mpisandoka
Maro ireo mpanefoefo tsy misy toy izany Kinanjo hay mpisandoka amin’ny fivarotan-tany Na tanin’olon-tsotra io na tanim-panjakana Amidiny amboletra tsy manaraka lalàna Misy ny misandoka ho polisy sy zandary Kanefa jiolahy mpandroba tsy manjary Fa misy ihany koa ny zandary sy polisy Mivadika ho mpanafika, « misandoka ho milisy » Misy ny misandoka fa izy hono injeniera … Continuer à lire Mpisandoka








