Catégorie : Saina Miabo

Tahotra

Tahotra

Io tahotra io ry namana no mahatonga antsika tsy hanana fahasahiana loatra Hany ka manjary tsy afaka mivoatra fa mijanona amin'ny toerana misy hatrizayNefa anie isika olona mahayNomena saina afaka hiady ihany koafa saingy ny tahotra no lasa mialohaManenika tanteraka ny fo sy ny atidoha.Io tahotra io tsarovy tsy maintsy misy hatrany Tsy misy olombelona tsy manana an'izany fa miavaka indrindra … Continuer à lire Tahotra

Mazotoa

Mazotoa

Anaka, manàna fahazotoanaFadio ny hakamoanaamin'izay atao rehetraDia manàna tarigetraTiavo foana koa ny zavatra ataodia ho tsapanaofa any atoriana anymbola hody ventiny avokoa izanyNa mafy toy ny inona ny asa na fianaranaTsy kivikivy izany fa tohizana ny lalanaNy ho tafita hatrany no tanjona kendrenaHo azonao foana ny vola sy harenaDia tsarovy koa fa ny fiainana mandalo … Continuer à lire Mazotoa

Zaro

Zaro

Zaro re ny vava hiteny zava-tsaraTeny mahasoa mitondra fitahianaF'aza ny ratsy foana no ambarambaraMainka mampitranga ny zavatra ahiana   Aok'izay ny hoe "izahay moa mba ho aiza"Ajanony koa ilay "izahay moa mavomavo"Zaro re ny hafa handre hatraiza hatraizaF'ianao mbola ho tafita fa tsy sanatria ho lavo Zaro re ny loha hahay hisaina ambonyTsy ho toy … Continuer à lire Zaro

Mahaiza miaina

Mahaiza miaina

Mahaiza miaina  Tsy maintsy ho faty foana eTsy misy ho afa-mainaKoa andanio fotoanaIzay mampifaly saina  Ny sakafo hano tsaraIzay tiana atao ataovyTetezo i GasikaraNy akanjo soa anaovy  Toneo foana ny foDia mba mitsikia Miezaha manao ny soaMahaiza koa mitia  Rasamy

Aza be fanahiana

Aza be fanahiana

Betsaka ny olona manam-pikasànaManiry hanao zavatra any an-dohany anyKanefa indrisy feno fisalasalànaTsy ampy fahasahiana, manofy fotsiny ihany Maro no te hanana vola aman-karenaMipololotra fatratra ery ny fanirianaIndrisy fa tsy ampy ilay fahatokisan-tenaMiaina lalandava anaty fanahiana Manahy fa tsy hahomby ny zavatra ataoMatahotra ihany koa fa ndrao afa-barakaHany ka tsy miova f'isan'andro izao"Sao dia" sy "tahak'izay" no mahazo … Continuer à lire Aza be fanahiana

Tsingerin-taona 

Tsingerin-taona 

Isan-taona toy izaodia faly aho misaotra Anaory Raiko any an-danitra any.Mitsingerina androanyny nahatongavako eto an-tany.Endrey mirana aok'izany f'iraika amby dimapolo taonaMbola velona eto foanaSalama tsara ihany koaSatria namindranao fo Na eo aza ny halemena sy hadalana sesehena,nisy koa ny sedra maro,sy alahelo nifangaro, dia marobe ireo fitahiana, izay nitondra fifaliana. Izaho misaotra lalandava ao am-po sy ao am-bava Nefa kosa hafa foana Rehefa … Continuer à lire Tsingerin-taona 

Manaova madio

Manaova madio

Betsaka ny olona tsy mba tia madioNy ankajony tsy miova omaly sy anioFa dia iny foanaNo hita eny an-kodiny mandavan-taonaTsy akory hoe tsy mananaFa tena efa fahazaranaIlay tsy mivaky lohaKa na ny akanjo ambony na ny patalohaDia malotoloto sy kitoatoaHany ka tsy hajain'ny olona ihany koa Tsy manaja tena ny olona toy izanyNy sasany aza … Continuer à lire Manaova madio

Mifaly irery

Mifaly irery

Indraindray ry namako dia lazaiko anaof'amin'izao andro iainantsika izao,dia tsy ratsy mihitsy akory,tokony hahafaly aza fa tsy manorisoryilay mandehandeha na mipetraka irery.Mitokatoka-monina somary manireryLavitry ny toerana misy olo-maroSomary mihatakataka tsy te hifangaro Fa miaina am-pilaminana Anaty fahanginana Manao izay tiana atao tsy mila olon-kafa Tsy mitady olona mba hitafatafa  Raha toa ary ianao ka mahita fifaliana fa tsy akory sanatria … Continuer à lire Mifaly irery

Mbola afaka

Mbola afaka

Mifarana ny taonaArahabaina izany fa mbola eto foana Manaova falifaly e, fa n'inona ny sedra mety nampijaly,n'inona koa olana mety nosedrainadia mbola velon'aina. Mahaiza koa misaotra fa mbola misy taona hahafahanao mivoatra Mbola afaka mihaona amy namana sy havana Mbola afaka mizara sy manome fitiavana Mbola afaka miasa mampitombo ny harena Mbola afaka mihira sy mampifaly tenaTsy maintsy mbola hisy koa ny … Continuer à lire Mbola afaka

Amin’izao Noely izao

Amin’izao Noely izao

Amin'izao Noely izaodia irariako ho anaony fiainam-pifalianaanilan'ny fianakavianaHo lavitry ny ahiahyfa na ny saina na fanahydia ravoravo sady tonyMisaotra indrindra ny ao Ambony Amin'izao Noely izaodia entaniko ihany ianao Hahatsiaro kely ireo sahirana Hananany endrika mba miranaZarao na kely fotsiny azaOmeo izay misy sy sahazaSatria tokoa ny Noely Andro tena hafa kely  Rasamy