Isan-taona toy izaodia faly aho misaotra Anaory Raiko any an-danitra any.Mitsingerina androanyny nahatongavako eto an-tany.Endrey mirana aok'izany f'iraika amby dimapolo taonaMbola velona eto foanaSalama tsara ihany koaSatria namindranao fo Na eo aza ny halemena sy hadalana sesehena,nisy koa ny sedra maro,sy alahelo nifangaro, dia marobe ireo fitahiana, izay nitondra fifaliana. Izaho misaotra lalandava ao am-po sy ao am-bava Nefa kosa hafa foana Rehefa … Continuer à lire Tsingerin-taona
Catégorie : Saina Miabo
Manaova madio
Betsaka ny olona tsy mba tia madioNy ankajony tsy miova omaly sy anioFa dia iny foanaNo hita eny an-kodiny mandavan-taonaTsy akory hoe tsy mananaFa tena efa fahazaranaIlay tsy mivaky lohaKa na ny akanjo ambony na ny patalohaDia malotoloto sy kitoatoaHany ka tsy hajain'ny olona ihany koa Tsy manaja tena ny olona toy izanyNy sasany aza … Continuer à lire Manaova madio
Mifaly irery
Indraindray ry namako dia lazaiko anaof'amin'izao andro iainantsika izao,dia tsy ratsy mihitsy akory,tokony hahafaly aza fa tsy manorisoryilay mandehandeha na mipetraka irery.Mitokatoka-monina somary manireryLavitry ny toerana misy olo-maroSomary mihatakataka tsy te hifangaro Fa miaina am-pilaminana Anaty fahanginana Manao izay tiana atao tsy mila olon-kafa Tsy mitady olona mba hitafatafa Raha toa ary ianao ka mahita fifaliana fa tsy akory sanatria … Continuer à lire Mifaly irery
Mbola afaka
Mifarana ny taonaArahabaina izany fa mbola eto foana Manaova falifaly e, fa n'inona ny sedra mety nampijaly,n'inona koa olana mety nosedrainadia mbola velon'aina. Mahaiza koa misaotra fa mbola misy taona hahafahanao mivoatra Mbola afaka mihaona amy namana sy havana Mbola afaka mizara sy manome fitiavana Mbola afaka miasa mampitombo ny harena Mbola afaka mihira sy mampifaly tenaTsy maintsy mbola hisy koa ny … Continuer à lire Mbola afaka
Amin’izao Noely izao
Amin'izao Noely izaodia irariako ho anaony fiainam-pifalianaanilan'ny fianakavianaHo lavitry ny ahiahyfa na ny saina na fanahydia ravoravo sady tonyMisaotra indrindra ny ao Ambony Amin'izao Noely izaodia entaniko ihany ianao Hahatsiaro kely ireo sahirana Hananany endrika mba miranaZarao na kely fotsiny azaOmeo izay misy sy sahazaSatria tokoa ny Noely Andro tena hafa kely Rasamy
Ndeha re
Ndeha re mba mivoaka f'aza dia mijanona amin'ny toerana irayMba mijery zavatra any ankafa indray Raha toa ka mikarama, indrindra koa salama, dia mba mandehana manao fizahana. Tsy voatery ho mpananaf'izay eo ampelatananaka azo tsinjaraina, dia io no ampiasaina Ndeha re miala kely amin'ny mahazatraMandeha lavidavitra arak'izay tratraTsy voatery foana hoe lasa any ampitaf'atao mahafaly izay tokony ho vita. Aza mangatak'andro fa … Continuer à lire Ndeha re
Aza ampatoriana
Fantaro sy zahao ny talenta anananaoAza ampatoriana fa fohazy sy trandraho N'iza n'iza mantsy dia manana an'izany Hizara ny talenta no tanjona eto an-tany Ny talenta dia fahaizana voa-janahary Mety miafinafina tsy mba miharihary F'azo ampitomboina ary mila ampiasainaTsy afenimpenina fa tokony ho zaraina Ny olona tafita amin'ny fiainana diavina Dia hiaraha-mahita ary tsy mba azo lavina … Continuer à lire Aza ampatoriana
Iaino ny anio
Raha toa ianao rahampitso ka lasana mandao Tsy ho hitanao intsony ny tsara androanyIanao anefa indrisy hatrizay ka hatrizao Tsy mety afa-po amin'izay mitranga ihany Moa toy izany foana ve ny fiainanao etoanaMitady izay tsy hita sy ny rahona hisava Tsy nakàna tsirony mihitsy ny fotoanaFa dia miandrandra ny ampitso lalandava Tsy aleo ve dieny anio dia … Continuer à lire Iaino ny anio
Matokisa anaka
Dada ô, tsapako mihitsy ny mahazo anaoMafy loatra mantsy izao fiainana izaoMidangana daholo ny entana eny an-tsenaTsisy mora intsony izay zavatra jerena Na ny anana aza, tsy toy ny taloha Ny jiro sy ny rano ary ny hofan-trano koaNy solika izany moa dia efa tsy hay lazaina Ny "bus" eninjato hatramin’ny marainaLoza fa nitombo ihany koa ny saribaoMaharaka an'izany … Continuer à lire Matokisa anaka
Manomeza fitafiana
Mangatsiaka ny androtsy maraina tsy atoandrofa dia mamirifiryNefa ny akanjony tsy dia misy firyManify dia manifyHany azony atao dia mitampifipifyeo ambanin'ny tonelinaTsisy na dia mofo kely mba atelinaMafy ilay mahantra eManantena ny hafa ho tonga mba hihantra Mijaly dia mijalyFa ianao kosa raha mbola afaka mifalytsy dia misy mahaoryAnaty bodofotsy no mahita toryMbola misy trano isitrihana … Continuer à lire Manomeza fitafiana









