Catégorie : Saina Miabo

Tsara ny manampy

Tsara ny manampy

Misy olona any ho any tena kivy savolainaNa ny endrika aza lasa antitra sy  mainaRakofan'ny ahiahy sy vesaran'adin-tsaina Miandry manantena hoe hisava ny maraina  Izany ny eto an-tany fa tsarovy sombinaina Misy olona mijaly, kivy sy miferinaina Raha tsy toy izany ianao fa mba misy izay ilaina Tsara foana ny manampy ireo izay kely vovok'aina Rasamy

Manaiky aho

Manaiky aho

Na  inona na inona zavatra efa haikoTsy maintsy misy foana tsy takatry ny saikoTsisy mahalala izay hahataperan'ny aikoManaiky aho fa Ianao no mandahatra ry Raiko Na miezaka aza aho manao zavatra mba tsaraNa tsy hitsahatra aho hanome sy hizaraManaiky foana aho fa n'inona n'inona ambara Dia Ianao  no manendry ny lahatra sy anjara  Matoa aho toy … Continuer à lire Manaiky aho

Mbola ho lo

Mbola ho lo

Mba fantatrao va re, f'io fasana io angefeno olona natanjaka hatry ny elabeNihevitra ny tenany tsy ho faty izanyNefa izao indrisy mandry ambany tanyNisinisy ihany ireo nanampatra ny herinyNanery ny olon-kafa hanaraka ny jerinyMaro tam'ireo no tia nanjakazakaNisy aza moa, namono fa mpanjaka Nefa aiza ankehitriny?Indrisy fa tantara sisa ny fahinyNy vatany efa vovoka, ny … Continuer à lire Mbola ho lo

Reraka kanefa … 

Reraka kanefa … 

Reraka ny aikoVizana ny saikoIzao no alehany rehefa ny vola no mibaikoKanefa anie ilay vola rehefa tena isaikodia tsy hahavitako akory izay rehetraretra ilaiko e Kanefa,... Asa efa nekena koa tsy maintsy hovitaiko Ny mafy izay lalovana tsy maintsy hoe zakaikoNy sarotra  noho izao aza moa efa nosedraikoIlay saina miabo foana no tohizako lalaikoNy saina mila ho … Continuer à lire Reraka kanefa … 

Miiba tafahoatra

Miiba tafahoatra

Raha ny zavatra fahita ety anaty fesibokydia isan'andro ianao mandrezatra fa vokyVoky resabe sy zavatra tsy tsaramanaratsy endrika an'i MadagasikaraTsy mba mahafinaritra fa zary mahasorenaka na ny seraseran'ny mpitondra firenena,na ny an'ny mpanohitra tsy tia fanjakana, dia mifampivazavaza tsy misy fanajana. Ny sary mahatsiravina dia hita ao daholo Mampihorin-koditra sy mampintsangam-bolo  Na halatra na lainga na koa fifamonoana … Continuer à lire Miiba tafahoatra

Mahaiza mitraka

Mahaiza mitraka

Rehefa nodimandry ny olona akaikylasana nandao nantsoin'i Ray Ambony dia mandà ny saina toa tsy te hanaiky nefa izay no lahatra, tsisy azo atao intsony  Mafy sy mafaitra ny fisarahana an-tany nefa izay no anjarany, atao ahoana moaTsy maintsy malahelo, tsy maintsy mitomany fa kosa aoka hahay hampionona ny fo Ny fo raha malahelo diso tafahoatra dia misy fiantraikany amy … Continuer à lire Mahaiza mitraka

Tsiky sy tomany

Tsiky sy tomany

Misy ny androm-pitsikianatoy ny tsingerin-taona, dia misy ny androm-pahoriana, malahelo sy misaona  Misy ny androm-pifaliana sambatsambatra aok'izany, fa misy andro itomaniana noho ny hetraketraky ny tany  Misy ny andro maharavo rehefa anaty fahombiazana, fa misy andro koa mba lavo, fahakiviana indray no tazana  Misy fotoana tena mainatsy mety latsaka ny orana, fa ho avy ny andro hitaintaina ny rano be indray no atahorana  Izay ilay … Continuer à lire Tsiky sy tomany

Tantara no hitsara

Tantara no hitsara

Na inona na inona zava-bitanaona maro koa na vitsy ny zavatra nataodia tsarovy foanafa na ahoana na ahoanadia tsy maintsy misy olona tsy faly amin'izanyIzay mihitsy mantsy ilay fiainana an-tanyMisy ny mpanohana dia misy mpanakianaMisy foana olona tsy mahita fifalianaToa satriny aza indrisyny vitanao tsy hisyNy zavatra iriny dia tsy hahomby akory iny tanjonao inyMankarary azy … Continuer à lire Tantara no hitsara

Manoratra aho satria

Manoratra aho satria

Manoratra aho satria, nomena talentaNa toa aza tsotsotra tsy tena avo lentaToy ny an'ireo mpanoratra malaza be fahinyDia tia manoratra aho fa aza omena tsiny Manoratra aho satria, mamelona ny tenyIo no tenin-drazako, no sady tenin-drenyTsy tiako ho vonoina, tsy tiako ho vofafaIlay teny malagasy ambony noho ny hafa Manoratra aho satria, misy zavatra ambara Io … Continuer à lire Manoratra aho satria

Mirary soa

Mirary soa

Endrey izany hafaliana, fa vaovao ny taonaFeno fitsikiana fa mbola  tafahoanaSamy velon'aina, tsy nody ho vovon-tany Tratry ny marainan'ny taom-baovao androany  Dia mirary soa e,  ho taona feno mamyTsy hisy loza hanjo, fa ho fifaliana hatrany Ho  ambinina, ho salama, ho tojo izay irinaHo lavim-pahantrana, fa tena ho taona zina Raha nisy ny  tsy nety, raha nisy koa … Continuer à lire Mirary soa