Tsaroako tokoafa mafy ny manjoireo olona marary anaty hopitalyMitaraina mafy, mikiaka fa mijaly Tsy afaka miarina fa mandry am-pandriana Tsy afaka manoatra dia mivavaka manginaMivavaka ao am-pony sy ao an-tsainy ao"Andriamanitra ô, vonjeo raha sitrakao Sitrano re ny aretikoAkombony re ny ferikoAvereno re ny heriko" Raha toa ka toy izanyianao re androany dia indro ampahereziko, aza mitomany Ny vavakao anie … Continuer à lire Ho sitrana ianao
Catégorie : Saina Miabo
Tsy aleo ve
Tsy aleo ve mampaheryraha mbola misy ny hery,sy saina ary fanananamba hanampiana namana? Tsy aleo ve mampitrakafa tsy mainka koa mandakaireo olona efa voasy mila hamoy fo? Tsy aleo ve mba mizaraizay zavatra mba tsara,fa tsy ny ratsy foanano hita mandavan-taona? Tsy aleo ve mba jerenaamin'izay ilay firenenafa tsy ny kibo no mihangezavao mahazo seza? … Continuer à lire Tsy aleo ve
Mijoroa sahia!
Anaka, manàna fahasahiana,f'aza ny hakivianano atao mialoha lalana, raha sendra sakantsakana eny an-dalana ombàna. Manàna koa finoana sy fanantenana, fa na mafy toy ny inona ny zava-manoloana, dia ny vahaolana tsy maintsy misy foana. Na misesisesy tsisy farany aza ny olanaTsy vita indray andro fa mety amam-bolanaMety koa maharitra aman-taonany aza. Dia tsarovy hatrany fa ny olona malazanahita fahombiazana amin'ny zavatra … Continuer à lire Mijoroa sahia!
Vaky boky
Mamakia bokyfa io no azo antoka sy namana mahatokymba hahafahanao mivoatra,raha toa ianao ka te hihoatranoho izay vitanao anio. Izao koa no tadidioNy olona izay lianasy mahita fifalianaamin'ny famakiana dia tsy ho varimbarianaamin'ny zava-tsy mahasoa. Fa mibahana ao an-dohany hanana hoavy tsaraManampy fotsiny ihany ny vintana sy anjaraSatria ny ao an-tsaina dia tia mikarokarokaVonona hihatrika ihany koa ny … Continuer à lire Vaky boky
Tsikera
Ilaina ny tsikeraanaty seraserafeno fanajana,manaraka lalànaTsikera mampandrosomitondra vahaolana,fa tsy mampikororosomampitombo ny olana Fa raha hitsikera ihanyaleo mba manontanysy miezaka mamantatraizay tokony ho fantatraMba tsy hiteniteny foanasy hamafy lainga, hanimba sy hanafoanany tsara efa miainga Rasamy
Tokana ianao
Tokana ianao, izay no ataovy an-tsainaTsy misy toa anao ny zava-manan'ainaIanao dia nohariana ho tokana aman-tanyFa tsisy itovizana amin'olon-kafa izany Koa aza dia variana amin'ny fampitahàna"Ranona tafita, f'izaho ity mihanahanaIzy toa mahay, f'izaho tsy mba toa azy"Aza miteny izany fa mainka ianao voasazy Voasazin'Andriamanitra satria manome tsinyTsy hainao izay kileman'iny olona inyAza mitsiriritra fa ny … Continuer à lire Tokana ianao
Ianao iny
Ianao ilay mpiteny fa izaho tsy mahavita Manabatibaty mihevitra ahy tsy ho tafitaManambanimbany sy manenjika aoriana Sady tsy manampy fa zatra manakiana Soa fa eo ianao manainga ny hambom-pokoNy toetranao io mihitsy no mainka hijoroakoNa ny eso na ny latsa na ny henjika tsy ahoako Tsy hampihemotra ahy amin'ny ezaka ataoko Ny tanjona apetrako tsy maintsy … Continuer à lire Ianao iny
Hafatr’i Dada
Aza menatra mijoro amin'ny maha ianao anaoAza tia manilikilika manao ankilabaoAza manaiky atao fitaovana hanimba indray ny hafaAza miandrandra fanampiana vao mba hanana sy tafa Aza miahotra mitory ny fitiavana ao anatyAza maika atao ho antitra maniry ny ho faty Aza miandry hanan-karena vao hahatsiaro fahasambarana Aza mandany fahatany izay mba vokam-pisasarana Aza mialona mahita ny fandrosoan'ny … Continuer à lire Hafatr’i Dada
Mbola hisava ny taraina
Kivikivy angamba ianao fa tena mafy ny manjoTsy hita intsony izay atao ka mitady hamoy foIsan'andro vaky izao dia toa mandalo fisedranaMandreraka sy mankalao ny olana tsy hay vahana Izay rehetra mba atao toa tsy hahitana fahombiazanaEfa niantso an'Andriamanitra, efa niantso koa ny razana Nefa tsisy mba mangirana mainka matroka sy maizinaManontany tena hoe nahoana loatra … Continuer à lire Mbola hisava ny taraina
Ambony moraly
Marary ve ianao? Sa kivy tsotra izao? Sa vizana tanteraka ? Sa kivy sady reraka? Vokatry ny aretina sy fanaintainana? Sa noho ny tsy fisiana sy ny adim-piainana ? Mitonia aloa dia amboary ny fisainanaTsy akory vahaolana izato fitarainana Ny tebiteby mantsy tsy mitondra fitoniana Ny fanafody tsara dia mivavaka mangina Maka saina kely dia mandinika ny atao Tsarovy f'any misy mijaly noho ianao … Continuer à lire Ambony moraly








