Raha ny vava izay nataonysy ny henjika fanaonyno nataoko tao am-podia lazaiko anao tokoafa efa ela aho no nivarinaAngamba lavo tsy tafarina. Soa ihany aho fa niadyka n'inona n'inona nianjadydia tsy nianjera tamy tanyfa nijoro foana hatranyNisy tanjona kendrenaTsy nitsaha-nanantena Noho ny ezaka nataono mampijoro ahy toy izaoTsy lafatra mihitsy akoryfa kosa tsy isan'ireo oryampijalian'ny … Continuer à lire Ifaliako izay ananako
Catégorie : Saina Miabo
Dimapolo taona
Mandeha tokoa ny fotoanafa vetivety foanadia feno dimapolo taona Toa tadidiko etoana,tsy adino fa tsaroanairony androm-pahazazanasy ny fahatanoranaRaikitra ho fahatsiarovana ny fiainana izay nandalovana,ny sarotra izay nodiavina,sy olona izay notiavina,ny ezaka izay nahatafita.Misy koa izay tsy vitakanefa tsisy hanenenana,fa ny andro sisa dia hanarenana izay mbola azo hatsaraina,satria dia mbola velon'aina Hiaraha-mahalala firifiry ireo nikasa sy naniryho feno dimapolo … Continuer à lire Dimapolo taona
Tsisy lafatra
Tsy misy olombelona ka hoe tonga lafatraTsisy ho kianina fa feno fahendrena Koa asakasakao mitompo teny fatratraManenjika isan'andro izay misy fahalemena N'iza n'iza mantsy ka mbola eto an-tanyTsy maintsy misy lesoka sy kilema koaMety mba solafaka sy diso izy androany Fa rahampitso hiarina sy hiova fo Koa aza tia mitsara ny fiainan'olon-kafaNy fiainanao no ataovy milamina sy … Continuer à lire Tsisy lafatra
Tsy farahidiny aho
Iza moa aho no tsy mba hanan'olanaMaro sakantsakana ny lalana diavikoMisy foana sarotra lalovana isam-bolanaFa ny hilavo levona kosa tena laviko Toy ny olo-maro koa dia manana ahiahy sy tahotra matetika miverina ao anatyManko ny ampitso toa zary mampanahyHanahoana ny hoavy, mandra-pahafaty Kanefa raha mandinika ny manodidina ahodia tokony hahatsiaro ho menatra ihany satria dia misy olona mijaly … Continuer à lire Tsy farahidiny aho
Asio fotoana
Asio fotoana mba hanginana,dia misy koa mba hitenenanaAleo miaina am-pilaminana,mba tsy hisiam-panenenana Asio fotoana tena hiasànadia asiana koa hakàna aina,Aleo atao izay hahasalama, sy mampifalifaly saina Asio fotoana koa iarahanahanehoana fiombonana,amin'ny havana sy namana, indrindra moa ny ankohonana Ny ratsy mbola hisy foana, ny fahasahiranana tsy ho tapitra,f'asio hatrany koa fotoana mahasoa sy mahafinaritra Rasamy
Tsara ny manampy
Misy olona any ho any tena kivy savolainaNa ny endrika aza lasa antitra sy mainaRakofan'ny ahiahy sy vesaran'adin-tsaina Miandry manantena hoe hisava ny maraina Izany ny eto an-tany fa tsarovy sombinaina Misy olona mijaly, kivy sy miferinaina Raha tsy toy izany ianao fa mba misy izay ilaina Tsara foana ny manampy ireo izay kely vovok'aina Rasamy
Manaiky aho
Na inona na inona zavatra efa haikoTsy maintsy misy foana tsy takatry ny saikoTsisy mahalala izay hahataperan'ny aikoManaiky aho fa Ianao no mandahatra ry Raiko Na miezaka aza aho manao zavatra mba tsaraNa tsy hitsahatra aho hanome sy hizaraManaiky foana aho fa n'inona n'inona ambara Dia Ianao no manendry ny lahatra sy anjara Matoa aho toy … Continuer à lire Manaiky aho
Mbola ho lo
Mba fantatrao va re, f'io fasana io angefeno olona natanjaka hatry ny elabeNihevitra ny tenany tsy ho faty izanyNefa izao indrisy mandry ambany tanyNisinisy ihany ireo nanampatra ny herinyNanery ny olon-kafa hanaraka ny jerinyMaro tam'ireo no tia nanjakazakaNisy aza moa, namono fa mpanjaka Nefa aiza ankehitriny?Indrisy fa tantara sisa ny fahinyNy vatany efa vovoka, ny … Continuer à lire Mbola ho lo
Reraka kanefa …
Reraka ny aikoVizana ny saikoIzao no alehany rehefa ny vola no mibaikoKanefa anie ilay vola rehefa tena isaikodia tsy hahavitako akory izay rehetraretra ilaiko e Kanefa,... Asa efa nekena koa tsy maintsy hovitaiko Ny mafy izay lalovana tsy maintsy hoe zakaikoNy sarotra noho izao aza moa efa nosedraikoIlay saina miabo foana no tohizako lalaikoNy saina mila ho … Continuer à lire Reraka kanefa …
Miiba tafahoatra
Raha ny zavatra fahita ety anaty fesibokydia isan'andro ianao mandrezatra fa vokyVoky resabe sy zavatra tsy tsaramanaratsy endrika an'i MadagasikaraTsy mba mahafinaritra fa zary mahasorenaka na ny seraseran'ny mpitondra firenena,na ny an'ny mpanohitra tsy tia fanjakana, dia mifampivazavaza tsy misy fanajana. Ny sary mahatsiravina dia hita ao daholo Mampihorin-koditra sy mampintsangam-bolo Na halatra na lainga na koa fifamonoana … Continuer à lire Miiba tafahoatra









