Moa va re mba fantatrao fa amin'izao ora izao misy olona mijaly any anaty hopitaly Tsy afa-miarina am-pandriana na dia manam-paniriana mba hivoaka isan'andro na maraina na antoandro. Na ny tongotra aman- tanany tsy afa-miasa ho an-janany. Tsy afaka mba miala voly na hamonjy ny tempoly. Eny indrisy tsy afa-bela Ny aretina no tsy mamela … Continuer à lire Ankafizo ny fiainana
Catégorie : Saina Miabo
Misy antony
Misy antony matoa mbola velona sy miaina Nomena vatana sy hery ary koa fanahy sy saina Matoa mahazo tombon'andro ijanonana eto an-tany Dia tsy tonga hoazy akory izany rehetraretra izany Misy antony avokoa izay mitranga amin'ny fiainana Na ny hiakam-pifaliana na ny sentom-pitarainana Ts'isy koa kisendrasendra fa samy manana ny anjarany Fandalovana ny eto ka … Continuer à lire Misy antony
Ny ankaniko
Endrey izato ankaniko Tiako sady mamiko Vokatry ny herim-poko ary koa ny fisasarako Ao ny ahy no misy ny tena fahasambarako. Ka na tsara sady raitra mahasarika manaitra ireo trano be mijoalajoala sy efa maro mpahalala hitako any am-pandehanana any Ny ahy ny tranoko hafa ihany Tena tiako sy lalaiko Io no lova mba avelako … Continuer à lire Ny ankaniko
Mahaiza mionona
Maratra ery ny fo raha ilaozan'ny havan-tiana Lasa nodimandry any amin'ny varo-tsy mifody Na aza anefa izany aoka hanaiky am-pitoniana Manko izy lasa aloha f'ianao koa mbola hody Tsarovy fa tsy misy haharitra ho mandrakizay Fa fandalovana ihany ny fiainana eto an-tany Tsy maintsy mbola antsoina hody any amin-dRay Ary any tsy hisy intsony ny … Continuer à lire Mahaiza mionona
Misaotra Azy
Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola velon’aina Mbola afaka miteny aho sady afaka misaina Ny masoko mahita ary ny sofiko mandre Ny tanako afa-miasa, ny tongotro mandeha Misaotra an’Andriamanitra aho nomeny anareo namako Misaotra Azy indrindra noho ny amin’ireto zanako Sy noho ny ray sy reniko ary vady andefimandriko Tsy adinoko ihany koa ireo zokiko sy … Continuer à lire Misaotra Azy
Mivavaka aho satria
Mivavaka aho satria, mila izany ny fanahiko Ny vavaka manala izay mety ahiahiko Mitana ny finoako mba tsy hisalasala Fa momba ahy hatrany Ilay Raiko izay Malala Mivavaka aho satria mbola nofo aman-drà Miady isan’andro amin’ny fakam-panahy Ka n’inona mitranga ary n'inona hianjady Ny vavaka no anisan’ny ampinga ho enti-miady Mivavaka aho satria mbola feno … Continuer à lire Mivavaka aho satria
He sambatra
He sambatra ny olona izay mahay mionona amin’ny eo ampelatanany ka n’inona harena sy mety ho fananany na betsaka na kely, dia tsy izany velively no ataony famaharana ho antom-pahasambarana He sambatra ny olona izay misaotra Ilay Mpamorona amin’ny zavatra rehetra ka n’inona ataony sy mety ho tarigetra tiany ho tratrarina dia manana finoana izy … Continuer à lire He sambatra
Meteza ho mpandresy
Na mafy sy mafaitra ka mila tsy ho laitra ny hetraketraky ny tany dia fombany ihany izany ka aza mitanondrika na koa hoe mitomany, fa n'inona mianjady dia misy koa ny fetra, koa manàna faharetana amin’ny zavatra rehetra. Tsy misy ny nateraka hijaly sy ho reraka ary higoka ny mangidy mandrapahafatiny fa ny hery ao … Continuer à lire Meteza ho mpandresy
Adinoy ny lasa
Aza tsiahivinao ny lasa, s’izay rehetra momba azy. Ny fotoana no hamafa, f’aleo mibanjina ny hoavy. Aza tsarovanao akory f'adinoy hivalona any, ireo andro nampahory, nampisento sy tomany. Na mavesatra ny omaly, efa nampitondra kitro. Aza ataonao mampijaly, hanamaloka ny ampitso. Aza isaina ny efa vita mitondra nenina sy latsa. Jereo ny lalana miampita, hahatontosa … Continuer à lire Adinoy ny lasa
Aleo mangina
Na tapitra tsy ho faly fa vonona hampijaly sy hanenjika anao aza izao tontolo izao. Kanefa ianao mahatsapa ho tsisy zavatra hafahafa nataonao mampanahy mety haningotra fanahy. Satria fiainam-pahamarinana anaty filaminana no niainana hatrizay. Nefa misy manaratsy indray ... Dia aza taitra akory aza ataonao mampahory izany rehetra izany fa fomban-tany ihany. Aza mitanondrika na … Continuer à lire Aleo mangina









