Catégorie : Saina Miabo

Mivavaka aho satria

Mivavaka aho satria

Mivavaka aho satria, mila izany ny fanahiko Ny vavaka manala izay mety ahiahiko Mitana ny finoako mba tsy hisalasala Fa momba ahy hatrany Ilay Raiko izay Malala Mivavaka aho satria mbola nofo aman-drà Miady isan’andro amin’ny fakam-panahy Ka n’inona mitranga ary n'inona hianjady Ny vavaka no anisan’ny ampinga ho enti-miady Mivavaka aho satria mbola feno … Continuer à lire Mivavaka aho satria →

He sambatra

He sambatra

He sambatra ny olona izay mahay mionona amin’ny eo ampelatanany ka n’inona harena sy mety ho fananany na betsaka na kely, dia tsy izany velively no ataony famaharana ho antom-pahasambarana He sambatra ny olona izay misaotra Ilay Mpamorona amin’ny zavatra rehetra ka n’inona ataony sy mety ho tarigetra tiany ho tratrarina dia manana finoana izy … Continuer à lire He sambatra →

Meteza ho mpandresy

Meteza ho mpandresy

Na mafy sy mafaitra ka mila tsy ho laitra ny hetraketraky ny tany dia fombany ihany izany ka aza mitanondrika na koa hoe mitomany, fa n'inona mianjady dia misy koa ny fetra, koa manàna faharetana amin’ny zavatra rehetra. Tsy misy ny nateraka hijaly sy ho reraka ary higoka ny mangidy mandrapahafatiny fa ny hery ao … Continuer à lire Meteza ho mpandresy →

Adinoy ny lasa

Adinoy ny lasa

Aza tsiahivinao ny lasa, s’izay rehetra momba azy. Ny fotoana no hamafa, f’aleo mibanjina ny hoavy. Aza tsarovanao akory f'adinoy hivalona any, ireo andro nampahory, nampisento sy tomany. Na mavesatra ny omaly, efa nampitondra kitro. Aza ataonao mampijaly, hanamaloka ny ampitso. Aza isaina ny efa vita mitondra nenina sy latsa. Jereo ny lalana miampita, hahatontosa … Continuer à lire Adinoy ny lasa →

Aleo mangina

Aleo mangina

Na tapitra tsy ho faly fa vonona hampijaly sy hanenjika anao aza izao tontolo izao. Kanefa ianao mahatsapa ho tsisy zavatra hafahafa nataonao mampanahy mety haningotra fanahy. Satria fiainam-pahamarinana anaty filaminana no niainana hatrizay. Nefa misy manaratsy indray ... Dia aza taitra akory aza ataonao mampahory izany rehetra izany fa fomban-tany ihany. Aza mitanondrika na … Continuer à lire Aleo mangina →

Fiainana miovaova

Fiainana miovaova

Io lanitra io akory tsy ho mangamanga foana fa miova ho fotsifotsy sy matroka ihany koa Na ny diavolana aza tsy mandavan-taona fa mety maizinkitroka ny ao an-tampon-doha Ny kintana alinkisa koa tsy voatery ho hita fa rahona no tazana mandrakotra ny tany Izany anefa akory tsy dia hoe midika fa tsisy kintana intsony any … Continuer à lire Fiainana miovaova →

Tsy maintsy hamiratra

Tsy maintsy hamiratra

Raha toa ka mavesatra sy mitambesatra ireo adin-tsaina Toa haningotr'aina Dia izao no tsarovy ary koa tadidio Tsy maintsy hisava io rahon'io Aza manaiky ho resy tsy miady na mivarilavo hivarina an-kady fa mitrakà! Satria vehivavy, satria lehilahy nomena hery sy tanjam-panahy Amboary ny saina Mazotoa tsy malaina Mbola hody ventiny izay natsakaina Tsy maintsy … Continuer à lire Tsy maintsy hamiratra →

Raha mbola velona

Raha mbola velona

Raha mbola velona ny aina Dia tsy ho foana ny taraina F'izao foana atao an-tsaina Ny ho avy tsara no andrandraina Raha mbola misy ny maraina Manàna zavatra antenaina Mitsangàna aza malaina Ny herim-po no tena ilaina Raha mbola misy sombinaina Azonao karakaraina Miderà Ilay Tompon'aina Fisaorana Azy hirahiraina Rasamy

Mikiriza hatrany

Mikiriza hatrany

N'inona n'inona efa lasa, s'izay kinendrinao anio N'inona ihany koa kinasa dia izao no tadidio Ny olona tsy maintsy hiteny, na ho tsara na ho ratsy Tsy ho voasakanao ireny, f'avadiho hanjary vatsy Mba ho vatsy enti-miady, fa tsy hampialangalana Ka n'inona n'inona mianjady, dia tohizana ny lalana Hisy foana hafa fijery, hitsikera sy hanakiana Ireny indray no ataovy hery, handresenao … Continuer à lire Mikiriza hatrany →

Aza kivy ianao

Aza kivy ianao

Raha malahelo ianao, fa tsisy mba mangirana ny fiainanao anio Toa maizin-kitroka ny ho avy, tsy hita mba hisava, io rahona io Izay rehetra atao, toa zary tsy mahomby, fa tena mandamoka Aza kivy ianao, fa ny ho tafita foana, no ataovy lokaloka Raha niady mafy ianao, niari-tory koa, niandrandra mba ho afaka Nandà ireo kilalao, sy antsoantso lavan'ireo namana sy tapaka … Continuer à lire Aza kivy ianao →