Io lanitra io akory tsy ho mangamanga foana fa miova ho fotsifotsy sy matroka ihany koa Na ny diavolana aza tsy mandavan-taona fa mety maizinkitroka ny ao an-tampon-doha Ny kintana alinkisa koa tsy voatery ho hita fa rahona no tazana mandrakotra ny tany Izany anefa akory tsy dia hoe midika fa tsisy kintana intsony any … Continuer à lire Fiainana miovaova
Catégorie : Saina Miabo
Tsy maintsy hamiratra
Raha toa ka mavesatra sy mitambesatra ireo adin-tsaina Toa haningotr'aina Dia izao no tsarovy ary koa tadidio Tsy maintsy hisava io rahon'io Aza manaiky ho resy tsy miady na mivarilavo hivarina an-kady fa mitrakà! Satria vehivavy, satria lehilahy nomena hery sy tanjam-panahy Amboary ny saina Mazotoa tsy malaina Mbola hody ventiny izay natsakaina Tsy maintsy … Continuer à lire Tsy maintsy hamiratra
Raha mbola velona
Raha mbola velona ny aina Dia tsy ho foana ny taraina F'izao foana atao an-tsaina Ny ho avy tsara no andrandraina Raha mbola misy ny maraina Manàna zavatra antenaina Mitsangàna aza malaina Ny herim-po no tena ilaina Raha mbola misy sombinaina Azonao karakaraina Miderà Ilay Tompon'aina Fisaorana Azy hirahiraina Rasamy
Mikiriza hatrany
N'inona n'inona efa lasa, s'izay kinendrinao anio N'inona ihany koa kinasa dia izao no tadidio Ny olona tsy maintsy hiteny, na ho tsara na ho ratsy Tsy ho voasakanao ireny, f'avadiho hanjary vatsy Mba ho vatsy enti-miady, fa tsy hampialangalana Ka n'inona n'inona mianjady, dia tohizana ny lalana Hisy foana hafa fijery, hitsikera sy hanakiana Ireny indray no ataovy hery, handresenao … Continuer à lire Mikiriza hatrany
Aza kivy ianao
Raha malahelo ianao, fa tsisy mba mangirana ny fiainanao anio Toa maizin-kitroka ny ho avy, tsy hita mba hisava, io rahona io Izay rehetra atao, toa zary tsy mahomby, fa tena mandamoka Aza kivy ianao, fa ny ho tafita foana, no ataovy lokaloka Raha niady mafy ianao, niari-tory koa, niandrandra mba ho afaka Nandà ireo kilalao, sy antsoantso lavan'ireo namana sy tapaka … Continuer à lire Aza kivy ianao
Mba ho maty hamela mamy
N’inona n’inona mitranga amin’ny fiainana eto an-tany Mila miezaka mitraka, tsy ho lany andro mitomany Hijoro foana tsy hikoro, hiasa mafy, hatanjan-tsaina Tsy handrara-kilo mby an-doha, mandra-pialam-pofonaina Ny fahoriana sy adin-tsaina, lalana tsy maintsy diavina Ny halemena, fahotana, tena misy, tsy azo lavina Ireo no iainana isan’andro, nefa tokony tsy handavo Fa raha potraka androany, … Continuer à lire Mba ho maty hamela mamy
Hafatra
N'inona n'inona mitranga N'inona n'inona hanjo Ny lanitra tsy maintsy ho manga Fa toneo aloha ny fo Tsy hanaiky ho resy an'ady Ka hametraka fiadiana Milofosa hatrany hitady Ilay fiainam-pifaliana Aza mandrarak'ilo mby an-doha Ka hilavo lefona avy hatrany Misikina herim-po Aleo mitraka foana ihany Fa ny fiainana mandalo Tsy hanindroa na hanintelo Tiavo hatramin'ny … Continuer à lire Hafatra






